Ny fomba niantsoan’i Jesoa ny mpianany

Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Janoary 2021

JAONA 1.43-51

JAONA 1.43-51
43 Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an'i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy. 44 Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan'i Andrea sy Petera. 45 Filipo kosa nahita an'i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany, dia Jesosy, zanak'i Josefa, avy any Nazareta. 46 Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha. 47 Jesosy nahita an'i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka. 48 Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin'ny aviavy* ianao. [*aviavimbazaha] 49 Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan'ny Isiraely. 50 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin'ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao. 51 Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona.

Ny fomba niantsoan’i Jesoa ny mpianany

Tao Galilia no niantsoan’ i Jesoa ny mpianany . Ny fomba niantsoana an’i Filipo sy Natanaela no aseho antsika eto :

1-Amin’ny alalan’ny fitaomany mivantana (and 43)

« Manaraha Ahy » na hoe : « Avia hiaraka Amiko  » . Io teny io no nolazainy tamin’i Filipo . Tsy fitaomana hanatona Azy fotsiny izany , fa fiantsoana hilatsaka ho mpianany . Eto dia i Jesoa mihitsy no miantso mivantana an’i Filipo fa tsy misy mpanelanelana . Aoka isika hahay mihaino ny feon’ny Tompontsika , izay miantso antsika hanaraka azy tokoa ka ho tonga tena mpianany . Hoy indrindra Izy aminao anio : « Manaraha Ahy ! »

2-Amin’ny alalan’ny mpanompony (and 45)

Filipo no fitaovana eo am-pelatànan’ny Tompo hiantsoana an’i Natanaela . Ny fijoroana vavolombelona nataon’i Filipo no nentiny nitaona an’i Natanaela . Ary satria voalaza fa tena Israelita i Natanaela , izany hoe : olona mahalala tsara ny Soratra Masina sy ny làlan’i Mosesy , dia nohamafisiny tamin’ny alalan’ny Soratra Masina ny teniny . « Efa hitanay ilay nosoratan’i Mosesy tao amin’ny lalàna sy nosoratan’ny mpaminany , dia i Jesoa, zanak’i Josefa avy any Nazareta  » (and45)

3-Amin’ny alalan’ny fanatrehany (and46-51)

Na dia teo aza ny fanazavana ara-tSoratra Masina nataon’i Filipo tamin’i Natanaela dia mbola nisalasala izy (and 46) . Araka ny fiheverany mantsy dia tsy tokony ho Nazareta , vohitra kely izay tsy fantatry ny Testamenta Taloha , sady ao amin’ny faritanin’i Galilia , izay malaza ratsy noho ny fomba fiainana Jentilisa velively no hahaterahan’ny Mesia , saingy rehefa nihaona tamin’i Jesoa izy , ary i Jesoa nahafantatra ny momba azy rehetra dia resy lahatra izy ka nino ( and 49) . Aza misalasala intsony !

Fanontaniana :

Tamin’ny fomba ahoana no niantsoan’nyTompo anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM