Ny fomba fiverenana amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Martsa 2020
HOSEA 14.2-4
HOSEA 14.2-4
2 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, rehefa mibebaka] Ry Isiraely ô, miverena amin'i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao. 3 Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay* ho fanatitra** ny molotray.[*Heb. haloanay][**Heb. vantotr'ombilahy] 4 Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan'ny kamboty famindram-po.Ny fomba fiverenana amin’ny Tompo
Manoro hevitra an’ny Israely Hosea eto ny amin’ny fomba fiverenana amin’Andriamanitra .Mety misy tokoa ny manapa-kevitra amin ‘izao vanimpotoanan’ny Karemy izao hiverina amin’ny Tompo kanefa tsy mahafantatra izay tokony hataony .Izao hafatry ny Tenin’ny Tompo izao dia hanampy ho amin’izany :
1-Mifona sy mangata-pamelana ary manolo-tena (and3)
Asain’i Hosea mitondra teny Israely eto.Teny fifonana fangataham-pamelankeloka. Teny fifonana ihany koa izay arahin’ny fananterana fanatitra ho fanonerana ny faharatsiana vita tamin’ny Tompo . Izay manapa-kevitra hiverina amin’Andriamanitra dia tsy maintsy manambara mazava ny faharatsiany eo amin’ny Tompo ary mangataka famelan-keloka amin’izany . Ary rehefa voavela heloka dia miroso amin’ny fanolorantena avy hatrany . Izay tonga amin’ny fanolorantena araka izao no tafaverina marina ao amin’ny Tompo .
2-Miala amin’ny sampy (and 4)
Miseho amin’ny endrika roa ny fanompoan-tsampy eto : fianteherana amin’ireo firenena lehibe fa tsy amin’Andriamanitra intsony , fiantsoana ny asan’ny tànana ho andriamanitra . Raha miverina amin’ny Tompo ny mino dia Andriamanitra ihany no iankinany , ary Andriamanitra no antsoiny ho Andriamaniny . Fialana tanteraka amin’ny fanompoan-tsampy izany .Raha tena vonona hiverina amin’Andriamanitra ny olona dia mila mahafoy izay nianteherany rehetra, mety ho vola izany , mety ho namana, mety ho fahefana sns … Tsy afaka miaraka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra mantsy izany rehetra izany .
Fanontaniana:
Raha tapa-kevitra hiverina amin’ny Tompo ny olona iray , ahoana no atao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM