Ny fomba fiarovana ny ankohonana

Mofonaina anio: Talata, faha 10 Oktobra 2023

Ohabolana 29,12-16

Ohabolana 29,12-16
12 Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra. 13 Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory*; Jehovah no manazava ny mason'izy roa tonta.[Na: mpampanana vola] 14 Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany. 15 Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny. 16 Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.

Ny fomba fiarovana ny ankohonana

1- Ny marina ihany no henoina

«Raha mihaino lainga ny mpanapaka, dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra» (and.12). Zava-doza ho an’ny mpanjaka ny mirona na latsaka amin’ny fihainoana teny lainga. Mitarika ny olona eo ambany fahefany ho ratsy fanahy izany. Sarin’ny fiainan’ny ankohonana ao anaty tokantrano koa izany. Raha manorina ny heviny amin’ny lainga afafin’ny olona avy any ivelany ny lahy na ny vavy dia miteraka haratsian-toetra ho an’ny zanaka izany. Noho izany, aoka ny teny marina sy ny teny fahamarinana hatrany no hanorenana ny fianan’ny ankohonana. Ny teny tena azo antoka amin’izany fahamarinana izany, dia Jesoa Kristy izay ambaran’ny Soratra Masina. Koa aoreno amin’ny Soratra Masina ny fiainan’ny ankohonana dia hilamina sy hirindra.

2- Mananatra tsara ny zanaka

«Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny» (and.15). Mampianatra sy mampahatsiahy indray ny Soratra Masina eto fa ny fomba fitaizana zanaka dia « ny fananarana » sy ny « tsorakazo ». Raha miresaka tsorakazo dia ny famaizana no tonga ao antsaina voalohany ary matetika hadino ny fitaizana sy ny fanabeazana ao anatiny. Fomba iray entina mitaiza sy manabe ary mananatra sy manitsy ny zaza ny tsorakazo. Henatra ho an’ny ankohonana ny mamela ny zanany hanao izay tiany hatao satria zaza tsy mba nahazo fitaizana sy fanitsiana ary fananarana izany. Adidin’ny ray amandreny ny manitsy sy mananatra ny zanany araka izay azo atao, eny na dia tsy maintsy arahina tsorakazo aza izany. Mety maharary ihany izany saingy mahasoa kosa

Fanontaniana

Inona no mahatonga ny ray amandreny mamela ny zanany hanao izay tiany hatao fa tsy mananatra azy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM.