Ny fomba fahitan’ny Tompo ny vahoakany

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Martsa 2020

HOSEA 12.1-7

HOSEA 12.1-7
1 [Fananarana ny Isiraely noho ny helony] Efraima manodidina Ahy amin'ny lainga, ary ny taranak'Isiraely amin'ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an'Andriamanitra, dia ny Iray Masina sy Mahatoky. 2 Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin'ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta. 3 Manana ady amin'i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an'i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony. 4 Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra; 5 Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika; 6 Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy. 7 Koa miverena amin'Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.

Ny fomba fahitan’ny Tompo ny vahoakany

Ny zavatra voasoratr’i Hosea eto amin’izao mofonaina izao dia maneho indrindra ny fomba fahitan’ Andriamanitra ny vahoakany .Fijery maneho ny marina momba ny vahoakany .

1-Vahoaka mpandainga sy mpamitaka (and1)

Vahoaka sy mpitondra tsy azo itokiana no hevitry ny mpamitaka sy mpandainga . Vahoaka miaina ao anaty tsy fahamarinana sy tsy fanajana ny rariny .Ary rehefa tena nodinihana ny fiainan’ny vahoaka tao amin’ny fanjakana Avatratra dia tena toy izany tokoa ny zava-nisy tao. Nanjaka tao ny tsy fanajana ny rariny,tena niaina tao anaty tsy fahamarinana na ny mpitondra ny vahoaka . Fiaraha-monin’ny samy mpanambaka no nisy .

2-Vahoaka mahafoy Azy (and3)

« manao fanekena amin’ny Asyriana izy » . Fomba fiasa teo amin’ny fanjakana fahiny , eny mbola mandraka androany ny fianteherana amin’ireo firenena izay noheverina ho matanjaka. Niankina tamin’ireo matanjaka ireo ny madinika mba hahazoana fiarovana amin’ny fahavalo . Anisan’izay nanao izany ny fanjakana tao Avaratra ka nangataka fiaraha-miasa sy fiarovana tamin’ny Asyriana . Izany fiaraha-miasa izany sy ny fanantenana fiarovana anefa dia mariky ny fialana taminn’y fianteherana tanteraka tamin’Andriamanitra . Tsy Ilay Andriamanitra intsony no hery nitokiana fa ireo firenena lehibe tamin’izany . Mariky ny fahafoizana an’Andriamanitra izany , endriky ny fialana amin’Andriamanitra izany .

Fanontaniana:

Eo anatrehan’ny zava-tsarotra mety mahazo , iza no itokiantsika sy ianteherantsika ? Vahoaka sy mpitondra toa ny ahoana no hitan’ Andriamanitra eto amin’ny firenentsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM