Ny fiverenana amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Martsa 2020
JOELA 2.12-17
JOELA 2.12-17
12 Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. 13 Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza, 14 Fandrao mba* hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo. [Heb. Iza no mahalala na] 15 Tsofy ao Ziona ny anjomara, ka manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina. 16 Angony ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin'ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany. 17 Eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin'ny jentilisa*; Fa nahoana no hataony any amin'ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny? [Na: Hanaovan'ny jentilisa azy ho ambentinteny]Ny fiverenana amin’ny Tompo
1-Tsy amin’ny endrika ivelany fotsiny
Misy Tenin’ Andriamanitra izay nampitondrainy ny mpaminany eto manao hoe: « ny fonareo no triatriaro fa aza ny fitafianareo « . Fomba fanehoan’ny Jiosy ho hita ety ivelany fotsiny ny fanatriarana na fandrovitana ny fitafiana rehefa maneho izany fanetrentena sy fibebahana izany . Ny Tompo kosa anefa eto dia mitaky zavatra matotra sy maharesy lahatra Azy mihitsy . Misy mantsy ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy fotsiny , mody mandrovitra ny fitafiany eo fotsiny izy kanefa tsy misy fanenenana sy faharesen-dahatra hiala amin’ny fahotana tokoa ao aminy , ny fo no triatriaro , hoy izy. Ny fiverenana amin’ny Tompo na ny fibebahana dia tsy maintsy vokatry ny fo tanteraka satria ny fo maneho ny olona mieritreritra sy resy lahatra amin’ny fanapahankevitra ataony .
2-Mitaky vavaka fifonana ataon’ny rehetra
Ny fahotana na ny ratsy ataon’ny olona eo anatrehan’ Andriamanitra dia tsy ataon’ny olona tokana ihany akory fa misy ny fahotana iarahan’ny maro toy ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny faharatsiana fantatry ny fiangonana ohatra fa dia amboamboarina sy sarotsaronana na dia hita fa tena faharatsiana aza. Mitaky fibebahana ataon’ny rehetra izany mba tsy ho indray very ny rehetra. Ny and 15 dia milaza fa adidin’ny vahoaka rehetra ny mivory manatanteraka andro fivavahana ho fifonana eo anatrehan’ny Tompo noho ny faharatsian’ny olona rehetra .Takiana mba hanatanteraka izany ny fiangonana .
Fanontaniana:
Misy olona mibebaka amin’ny endrika ivelany fotsiny ve?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM