Ny fiverenana amin’i Jehovah

Mofonaina anio: Talata, faha 24 Martsa 2020

Deoteronomia 30.1-10

Deoteronomia 30.1-10
1 Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin'ny firenena rehetra izay androahan'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, 2 ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio, 3 dia hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin'ny firenena rehetra izay nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao. 4 Raha misy aminao voaroaka any amin'ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao. 5 Dia hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny tany izay nolovan'ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao. 6 Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao. 7 Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny. 8 Dia hihaino ny feon'i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio. 9 Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao, 10 raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.

Ny fiverenana amin’i Jehovah

1-Hahazoana famindrampo

Miseho amin’ny alalan’ny fijeren’Andriamanitra ny olona indray ny famindrampo eto , izany hoe: rehefa nanao izay ratsy teo imason’ny Tompo ny olona ka nahatonga fahatezerana teo Aminy dia naeliny ho babo tany amin’ny tany lavitry ny tany nomeny ho lovany izy ireo . Manina ny taniny izy ireo noho izany ka mahatsiaro ho very tokoa ary ny hany azo atao mba hamindran’nyTompo fo aminy hahatonga azy ireo hisoraka ny tsara any amin’ny taniny indray dia ny mibebaka eo anatrehan’ Andriamanitra . Rehefa misy mantsy izany dia hamindra fo aminy ny Tompo Andriamanitra ary hanangona azy ireo indray any amin’ny tany rehetra izay efa niparitahany .

2-Handovana ny tany lova indray

Rehefa nangonin’ny Tompo izy ireo dia omeny fahafahana mba handova indray ny tany izay nomen’ny Tompo ho lovany . Votsotra teo an-tànany mantsy izany tany izany , noho ny faharatsiany ihany ary averin’ Andriamanitra aminy izany rehefa mendrika izy ireo ka manaraka ny sitrapon’ny Tompo ary ny fisehoan’ilay fahamendrehana dia ny fetezana mihaino ny feon’ny Tompo amin’ny fo rehetra sy fanahy rehetra . Takina izany ho an’ny olona te- handova ny tany indray .

3-Ho voafora fo

Tsy mahazatra loatra ny hoe: voafora fo , kanefa teny ampiasaina mihitsy izany eto , satria mila izany indrindra ny fon’ny olona . Mitahiry faharatsiana mantsy ka mila esorina tanteraka izany faharatsiana izany mba hahafahana mitia an’Andiamanitra marina. Tsy atao aminn’y endrika ivelany fotsiny izany fa ny fo mihitsy no mila fiovana .

Fanontaniana:

Ahoana izany voafora fo izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM