Ny fivavahana atao amin’ny finoana
Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Septambra 2024
Matio 21, 18-22
Matio 21, 18-22
18 Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana. 19 Ary nahita hazo aviavy* anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.[*aviavimbazaha] 20 Ary nony hitan'ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io? 21 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. 22 Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.« Ary na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo » (and 22)
Ny fivavahana atao amin’ny finoana
1- Mandresy ny fisalasalana
« Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana » (and 21); Fantantsika fa « ny finoana no fahatokiana amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita » (Heb 11.1). Fianteherana amin’ny Tompo amin’izay atao rehetra ny finoana; ary mahatonga ny mpino haharitra sy hitoetra mafy sy tsy hivadibadika, fa hifantoka hatrany amin’ny Soratra Masina. Ny finoana dia mampirindra ny fiainana hanaraka ny teny fikasana, ka hamoa voa tsara miendrika fibebahana. Finoana iainana, finoana lalim-paka, miorina ao amin’i Jesoa Kristy ilay foto-boaloboka, izany no tena finoana; tsy miahanahana izay mitondra amin’ny valim-bavaka
2- Tanterahana amim-pahatokiana ny Tompo
Fantantsika fa ny vavaka dia resaka atao amin’ny Tompo. Fantany ny toe-pontsika rehefa miresaka Aminy isika. Tsy maintsy atao amin’ny finoana ny vavaka. Voasoratra hoe: « Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo hatao hahazoana sitraka Aminy, fa izay manantona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady azy (Heb 11.6) Ambaran’i Jesoa àry fa tena mifampiankina ny fivavahana atao amin’ny finoana sy ny valim-bavaka. Tsy misaraka amin’izany ny fanahin’ny fankatoavana, dia ny fanekena ny fandaminan’ny Tompo ny amin’ny fotoana sy ny endriky ny valim-bavaka omeny izay mahasoa antsika. Mahafantra izay mahasoa antsika ny Tompo. Ilaina ny mahay misaotra rehefa mahazo valiny. Matokia hatrany ny Tompontsika.
Fanontaniana:
Hazavao ny atao hoe « Fivavahana atao amin’ny finoana »
Sampana Sekoly Alahady Foibe