Ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Desambra 2024
Isaia 58.6-12
Isaia 58.6-12
6 Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? 7 Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao* ianao? [Heb. hiery ny nofonao] 8 Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-lalanao 9 Ary amin'izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan'ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy, 10 Ary afoinao ho an'ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin'ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana; 11 Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra. 12 Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany.Ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra
Ireo Jiosy efa tafaverina ao amin’ny taniny sy miatrika ny fanarenana amin’ny lafin-javatra samihafa no íantefan’ny hafatra nampitondrain’ Andriamanitra ny mpaminany.
1- Mihevitra ny hafa
Manatanteraka ireo fombam-pivavahana ho amin’izay heverina ho fifandraisana amin’Andriamanitra ny olona. Toa fivavahana mandeha amin’ny fombafomba fotsiny ihany anefa izany fa tsy misy fiheverana sy fitsimbinana ny hafa ao anatin’ny fiarahamonina. Misy ireo olona voageja, voafatotra noho ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiarahamonina kanefa tsy misy mpihevitra. Ireo mahantra tsy manan-kohanina tsy misy manolotra. Mivavaka, manompo an’Andriamanitra kanefa miaina amin’ny fitavanan-tena. Mananatra eto ny mpaminany fa ny fivavahana marina dia ny fiheverana ny hafa.
2- Mandray ny fitsinjovan’ Andriamanitra
Ny fanompoam-pivavahana marina dia fiheverana ny hafa. Fialana amin’ny fitiavan-tena, fiainana ny fanetren-tena no handraisana valiny manokana avy amin’Andriamanitra, fanafahana, fanasitranana (and.8), fandraisana ny valim-bavaka avy amin’Andriamanitra (and.9). Tsy mijanona amin’izany ihany, fa miaina amin’ny fiainam-pitahiana rehetra avy amin’Andriamanitra (and.11-12). Tarihina araka izany isika mba hanao fivavahana marina. Ny olona mahay manetry tena no afaka manao fanompoam-pivavahana ankasitrahan’ Andriamanitra.
Fanontaniana:
Lazao ireo andraikitra takian’Andriamanitra aminao manoloana ny fahantrana iainan’ny manodidina anao.
Sampana Sekoly Alahady Foibe