Ny fitsaran’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 21 Jolay 2023
Marka 13. 14-20
Marka 13. 14-20
14 Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia. 15 Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony. 16 Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. 17 Ary lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! 18 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina izany. 19 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. 20 Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.« Tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. » (and. 19)
Filazana ny amin’ny fandravana ny tanànan’i Jerosalema entina maneho ny hamafin’ny fanenjehana amin’ny andro farany, izany hoe : amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy indray. Andro fahoriana lehibe vokatry ny fitsaran’Andriamanitra. Andro fahoriana izay mbola tsy nisy tahaka azy sady tsy hisy intsony izany. Andro fahoriana ho an’ny olona izay tsy mino an’i Jesoa Kristy ny andro farany, izay hiverenan ‘i Jesoa Kristy fanindroany. Ary izany no itaomana ny olom-boafidy ho amin’ny fihazonana hatrany ny finoana mandra-pihavin’i Jesoa Kristy indray. Ary izany no azo hiarovan-tena amin’ny fitsaran’ Andriamanitra.
«...fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany. » (and. 20)
Ho mafy dia mafy tokoa ny fahoriana amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy ka tsy misy nofo mahazaka izany. Satria tsy misy nofo mahazaka izany, dia hiala amin’ny finoana daholo ny olona rehetra ka tsy hisy ho voavonjy. Kanefa ho fiarovana ny olom-boafidin’Andriamanitra, mba haharetany amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia nohafohezina izany fotoana izany. Andriamanitra mitsinjo ny olom-boafidiny ka mampihena ny fahoriana mihatra aminy mba haharetany hatramin’ny farany. Tsy noho ny fiaretana sy ny faharetan’ny olona akory no mahatonga azy maharitra fahoriana amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy fa Andriamanitra manamora ny fahoriana iaretany.
Ahoana ny fomba hananana finoana mafy orina?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM