Ny Fitsarana Tsy Ara-drariny natao an’i Jesoa

Mofonaina anio: Talata, faha 08 Aprily 2025

(Sal 124/Hira 36/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 353:1,3,5)

Matio 26.57-66
57 Ary izay efa nisambotra an'i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona. 58 Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany. 59 Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an'i Jesosy mba hamonoany Azy; 60 fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe: 61 Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin'Andriamanitra Aho sy manangana azy amin'ny hateloana. 62 Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao? 63 Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra. 64 Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra. 65 Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy* Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy* izao.[*Gr. blasfemia, izahao 9. 3] 66 Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.

Tao an-tranon’i Kaiafa mpisoronabe no nanaovana izany, ary niantsoana ny mpikambana tao anatin’ny Synedriona hitsara an’i Jesoa Kristy. Koa satria fitsarana no nataon’izy ireo dia tsy maintsy ilaina ny porofo hahafahana manameloka an’i Jesoa. Ary tsy vitan’ny hoe manameloka fotsiny, fa hanameloka ho faty mihitsy no nokasain’ireo.

Mariho fa miverimberina ny hoe « lainga ». Nampangaina lainga Izy, ary nisy mihitsy aza vavolombelona mandainga nahasahy nijoro niampanga Azy. Ny zavatra nisy kosa anefa dia araka izay voalaza co amin’ny and. 60: tsy hita mihitsy izay antony hiampangana Azy; izany hoe: tsy misy heioka tokony hahafaty Azy akory. Raha ny marina no lazaina, dia tena fankahalana an-kitsirano, tsy fitiavana tsotra izao fotsiny no tena nitadiavana antony hamonoana an’i Jesoa, fa tsy nisy mihitsy heloka tokony ho namonoana Azy, na dia kely akory aza.

Tamin’ny farany dia nolazaina ho niteny ratsy i Jesoa, ary izany no antony niampangana Azy. Ny hoe miteny ratsy eto dia tsy araka izay mety efa fandrentsika akory, fa ilay atao hoe manao « blasfemia » (cf Mat 9. 3). Niainga tany amin’ny lalàn’i Mosesy indrindra izany (cf Lev 24. 10ss). Nalahatr’ireto olona ireto ho niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra i Jesoa Kristy, satria olona efa manao Azy ho mitovy amin’Andriamanitra. Ny tsy fantatr’ireto olona ireto sy ny tsy inoany anefa dia izao: tena Andriamanitra tokoa i Jesoa fa tsy hoe manao ny tenany ho mitovy amin’ Andriamanitra. Tsy misy helony velively izay nambarany.

Inona no niampangana an’i Jesoa?