Ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty

Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Aprily 2020
LIOKA 24.44-49
44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. 45 Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. 46 Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo; 47 ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. 48 Ary ianareo no vavolombelon'izany. 49 Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.

Ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty

1-Maneho  ny  fahatanterahan’ny faminaniana

Fa tsy  maintsy  ho tanteraka  izay rehetra nanoratana Ahy  teo  amin’ny lalànan’i Mosesy  sy  ny mpaminany  ary ny salamo”  (and44). Ny  lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany  ary ny salamo  dia manamarika ireo  fizarana telo lehibe amin’ny Testamenta taloha  Hebreo . Naminany ny amin’I Kristy  hateraky  ny virijiny  ny Testamenta taloha(Isa 7.14) . Efa voasoratra  mialoha  fa ao  Betlehema no hahaterahan’i Jesoa  (Mika 5.2) . Misy  ny  mpialoha làlana  dia Jaona mpanao  batisa  (Zak9.9). Ny  Sal  16.6-11  dia  naneho  faminaniana ny  amin’ny hitsangan’ i Jesoa  amin’ny  maty. “Fa tsy  ho  foinao  ho any  amin’ny fiainan-tsy  hita ny aiko ,tsy  hamela ny iray masinao ho latsaka  ao  amin’ny lavaka ianao” (Sal 16.10).Araka izany  , ny mahakasika an’i Jesoa  sy ny fanavotana ny  olombelona  amin’ny alalany  dia efa nomanin’Andriamanitra hatrany  am-piandohana.

2-Mitondra fibebahana sy famelankeloka amin’ny firenena rehetra

Fitiavana lalina no nasehon’i Jesoa ho antsika . Nahafoy  ny ainy  ho antsika Izy . Tsy mora no niaretany ny kapoka , latsa ,eso  sy ireo  fanarabiana ary fabalam-baraka isan-karazany  .Koa aza avela ho very maina  ny fanolorantenan’ny Tompo  izay mariky  ny  fitiavany  . Anjarantsika  ny mandini-tena. Fantaro fa ny fizirizirianao hanohy ireo  filan’ny nofo  sy ireo  fahazaran-dratsy  izay efa nandatsahan’I Jesoa ny Rany  teo amin’ny hazo fijaliana dia midika  fanombohana azy fanindroany indray.

Fanontaniana:

Inona no andrasan’nyTompo  amintsika taorian’ny nandatsahany ny Rany  teo amin’ny hazo fijaliana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM