Ny fitoriana ny asan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Septambra 2023

Salamo 19 : 1-6

Salamo 19,1 - 6
1 [Fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra, amin'ny asan'ny tànany, na amin'ny lalàna nomeny] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany. 2 Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy. 3 Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony*. [Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na: Izay tsy re ny feony] 4 Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany*, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;[Na: feony] 5 Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy. 6 Any amin'ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka tsy misy takona amin'ny hafanany.

Ny fitoriana ny asan’Andriamanitra

Raha miresaka ny filazana na fitoriana ny asan’Andriamanitra ny mpanao Salamo dia ireto no zava-dehibe ambarany

  1. Andriamanitra tenany no manambara ny momba Azy (and 1)
    DIEM « Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra ary ny habakabaka mitory ny asa vitany »
    Ny lanitra dia milaza ny fonenan’Andriamanitra, milaza izay misy an’Andriamanitra. Avy ao amin’izay misy an’Andriamanitra no ivoahan’ny fanambarana an’Andriamanitra, fanambarana ny momba an’Andriamanitra. Tsy misy afaka milaza ny momba an’Andriamanitra rahateo araka ny fampianarantsika fiangonana raha tsy Izy tenany aloha no maneho ny maha-izy Azy. Tsy misy afaka mahafantatra an’Andriamanitra raha tsy miainga amin’izay ambaran’Andriamanitra momba ny tenany. Matoa afaka milaza toy izany ny fiangonana na mitory ny momba an’Andriamanitra dia satria naharay izany avy amin’ny fanambaran’Andriamanitra ny tenany izy. Eto moa izany fanambarana izany dia sady milaza ny halehiben’ny asan’Andriamanitra no miresaka ny haben’ny voninahiny.
  2. Tsy misy fiafarany ny fanambarana an’Andriamanitra (and 2)
    DIEM « Ny andro mitantara izany amin’ny andro mandimby, ary ny alina milaza izany amin’ny alina manaraka »
    Miampita isan’andro ny fitantarana na fitoriana ny momba an’Andriamanitra. Tsy misy fetrany izany fa raha mbola miposaka koa ny masoandro ka tonga ny andro dia mbola hisy fitantarana an’Andriamanitra sy ny momba Azy. Midika koa izany fa miezaka mahatratra ny taranaka rehetra ny fitoriana ny asan’Andriamanitra, ny olona rehetra no tanjona tratrarina amin’izany. Ny olona mitory no mety tapitr’andro ka hampita izany amin’izay mbola velona, raha mbola misy koa andro ka mbola misy olombelona dia hitohy hatrany ny fitoriana ny asan’Andriamanitra.

Barinarivo Rajaosoa,Mpitandrina

President Synodal FJKM