Ny fitondran-tenan’ny olom-boaantso
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 24 Jolay 2025
(Sal 66.1-4 / Hira 462 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 471)
1 Petera 1.13-21
13 [Famporisihana hitondra tena mifanaraka anim'ny filazantsara] Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy; 14 tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo; 15 fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, 16 satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44). 17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo et? ; 18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana, 19 fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina; 20 Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo 21 Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.Ny fitondran-tenan’ny olom-boaantso
1- Tsy tahaka ny filàna fahiny
Ambaran’ny mpanoratra amintsika amin’izao mofonaina anio izao fa ny olom-boaantso dia entanina mba tsy hitondra tena tahaka ny filana fahiny. Inona moa izany? Ny fiheverana sy ny fanao izay manalavitra ny sitrapon’Andriamanitra, mbamin’ny fiainana anjakan’i satana; tsy mba manaja izay masina; mihevitra an’Andriamanitra ho tsy misy.
2- Mitafy ny fahamasinana
« Aoka ho masina hianareo satria masina Aho » (and.15). Ho an’ny olom-boaantso, ny fahamasinana dia tokony ho toy ny akanjo isalorana mandrakariva na aiza na iza toerana aleha. Io no iavahany amin’ny hafa, ary anehoany koa ny voninahitr’ Andriamanitra manoloana ny anjara fanompoana. Zanak’Andriamanitra isika, ka tokony hanahaka ny toetrany toy ny zanaka manahaka ray aman-dreny. Ny fitafiantsika ny fahamasinana sy ny fitandremana izany no hananantsika fahatanterahana eo anatrehan’Andriamanitra (Mat 5.48). Mitafia fahamasinana àry isika!
3- Miaina amin’ny fitiavana
Tian’Andriamanitra loatra isika ka tsy novidiany tamin’ny harena hitamaso toy ny volamena na volafotsy ny fanavotana antsika (anF.18). Fa Kristy tonga lafatra no maty ho antsika. Mariky ny fitiavany izany; « Fa ny rà soan’i Kristy toy ny ràn’ny zanak’ondry tsy misy kilema… » (and.19). Asehoy amin’ny fitiavana ny fitondran-tenanao, aza atao hoe an-tery fa amin’ny fitiavana satria Kristy tia ny olom-boaantso.
Fanontaniana :
Marina eo amin’izay anirahana anao ve ny fitondrantenanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe