Ny fitiavan’i Jesoa ny mpianany

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 29 Mey 2025

(Sal 124.1-8 / Hira 170.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 530.1-2)

Jaona 14.25-31
25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26 fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] 27 Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. 28 Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. 29 Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. 30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy. 31 Fa mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian'ny Ray Ahy, dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.

Ny fitiavan’i Jesoa ny mpianany

Ny fitiavan’i Jesoa izany dia hita amin’ny alalan’ny:

1- Fanomezany ny Fanahy Masina

Nambaran’i Jesoa fa rehefa handeha Izy dia hirahin’ Andriamanitra amin’ny Anarany ny Fanahy Masina mba hampahatsiaro sy hanazava amin’ny mpianatra izay fampianarana nataon’i Jesoa. Fitiavan’i Jesoa ireto mpianatra ireto no anton’izany, mba tsy hahatsapan’izy ireo fahabangana amin’ny fotoana tsy maha co Azy intsony. Izany hoe ny Fanahy Masina Mpananatra indray no haka ny toeran’ny Tompo ka hampianatra. Tian’ny Tompo isika matoa omeny ny Fanahy Masina.

2- Fanomezany ny fiadanana

Fantatry ny Tompo fa hampaory sy hitondra tahotra ho an’ny ny mpianatra ny fisarahana misy eo Aminy sy izy ireo, ka izany no nampaherezan’i Jesoa azy ireo sahady hoe: « Fiadanako no omeko anareo » sy ny hoe: « Aza malahelo na matahotra ny fonareo ». Fiadanana izay tsy ara-nofo fa ara-panahy, dia ilay fiadanam-po afaka mampionona sy mampifaly azy ireo manoloana ny zava-mitranga rehetra.

3- Fanomezany ny tenany ho sorona

« Ny fiavian’ny andrianan’izao tontolo izao » no iantsoan’i Jesoa ireo olona tonga hisambotra sy hamono Azy. Nekeny anefa izny mba ho fanehoany ny fitiavany an’Andriamanitra Ray, satria nandidian’ny Ray Azy izany ka hataony. Raha tia an’i Jesoa isika dia tokony hanaiky izay nandidiany antsika ihany koa, satria Izy efa tia antsika.

Fanontaniana:

Inona no porojo anehoanao ny fitiavanao an’t Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe