Ny Fitiavan’Andriamanitra sy ny Fandresena Amin’ny Fiainana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 19 Oktobra 2024
Isaia 41. 14-20
Isaia 41. 14-20
14 Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao. 15 Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa. 16 Hikororoka azy ianao, ka hopaohin'ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin'i Jehovah, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no ho reharehanao. 17 Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan'ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy; 18 Hampiboika renirano ao amin'ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin'ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika. 19 Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra* ary oliva** any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay, [*myrta][**Heb. oliva maniry ho azy] 20 Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan'i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no nahary izany.1. Tsy manary na oviana na oviana Izy (and 14)
« Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo ry Isiraely olom-bitsy ». Fanomezan-toky miezinezina ny hoe « Aza matahotra », tena nilain’ny jiosy tany am-pahababoana izany satria feno tahotra izy ireo, tsy ny Babyloniaina loatra anefa no natahorany fa nihevitra izy ireo hoe tena efa nariana sy nafoin’ Andriamanitra mihitsy, nihevitra koa aza izy ireo fa resy mihitsy Jehovah ka tsy manan-kery hamonjy intsony. Eo indrindra anefa no miteny Andriamanitra, ka ny hoe aza matahotra anehoany fa sady tsy resy Izy no tsy afoiny ny olony! Ary tsy izany ihany aza, fa vonon-kamonjy ny olony Izy. Isika mila ho kivin’ny fahotana sy mihevi-tena ho tsy ilain’Andriamanitra intsony, mitrakà, efa nomena Jesoa Kristy hamonjy antsika
2. Mampandresy ny olony Izy (and 15 ss)
« Indro ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao… ». Raha vakiana ny tohiny rehetra, dia azo aravona hoe ampandresen ‘Andriamanitra ny olona fa tsy avelany ho rembin’ny jentilisa intsony ary anehoany ny voninahiny. Raha tomorintsika akaiky dia hohitantsika fa omen’Andriamanitra hery sy tanjaka ny olona ho afa-mandresy ny fahavalony. Ambonin’izany. asehon’ Andriamanitra amin’izy ireo fa karakarain’ Andriamanitra izy ireo ka omeny rano hanafaka hetaheta (and 17. 18), omeny hanina tsy ho noana (and 19). Isika izao koa, tsy diso anjara fa omeny mpamonjy mba hananana fiainana, sy hokarakaraina: indro Jesoa Kristy!
Fanontaniana
Hatraiza ny fahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe