Ny Fitiavana sy ny Fahaiza-Mitarika ao amin’i Jesoa

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 15 Jolay 2024

Lioka 22. 31-38

Lioka 22. 31-38
31 Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. 32 Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao. 33 Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin'ny fahafatesana aza. 34 Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao. 35 Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy. 36 Fa hoy Izy taminy: Fa amin'izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy. 37 Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan'ny mpanota (Isa. 53. 12); fa efa ho tanteraka ny amiko. 38 Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka izay.

Resaka nifanaovan’i Jesoa sy i Petera ity mofonainantsika ity. Hitantsika avy amin’izany fa i Jesoa:

1- Manoro hevitra ny mpianany (and 32)

« Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ny rahalahinao« . Efa tarihin’i Jesoa i Petera, izay azo ambara ho mpitarika ny Apostoly mba hahatakatra fa tsy havelan’i Satana hipetrapetra-potsiny fa hotafihin’i Satana ary hokororohiny ny finoany. Taomina koa isika hahatsiaro fa rehefa manaraka an’i Jesoa isika, dia tsy hahafaly an’i Satana izany ka dia hitady ny fomba rehetra izy hanao izay hampihemotra antsika, na hampitahana antsika amin’i Jesoa. I Petera efa voa tamin’izany, saingy soa fa mpamindra fo i Jesoa ka nandray ny fibebahany ary naniraka azy koa hampahery ny rahalahiny. Fomban’i Satana mantsy ny mamely ny mpitarika, ka ny tanjony amin’izany dia ny hoe rehefa lavo ny mpitarika dia hiparitaka ihany koa ny andian’ondry.

2- Mahalala ny zavatra rehetra (and 34)

« Lazaiko aminao, ry Petera: raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà in-telo ho tsy mahalala Ahy ianao« . Fatratra ny hafanam-pon’i Petera raha nilokaloka tamin’i Jesoa hoe: « Tompoko, vonona hanaraka anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho any amin’ny fahafatesana aza« . Fantatr’i Jesoa tsara anefa ny zavatra hitranga, fa mahalala ny zavatra rehefa Izy. Koa dia nampahafantariny an’i Petera mazava fa handà Azy i Petera. Indraindray koa isika enti-kafanam-po amin’ny fanarahana an’i Jesoa ka milokaloka foana kanefa avy eo tsy mahatanteraka akory. Fantatr’i Jesoa izany fahalementsika izany. Tsy miova ny fitiavany antsika.

Fanontaniana

Ahoana ny fahahatsapanao ireo toetran’i Jesoa ireo eo amin’ny fiainanao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe