Ny fitiavana no fototry ny fihetsiky ny Kristiana rehetra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 30 Novambra 2024
1 Korintiana 13,1 - 13
1 Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. 2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. 3 Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. 4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, 5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, 6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, 7 mandefitra* ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. [* Na: manarona] 8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana. 9 Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika; 10 fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony. 11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana. 12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy. 13 Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.Ny fitiavana no fototry ny fihetsiky ny Kristiana rehetra
Betsaka ny fihetsika toa tsara ety ivelany azo aseho ety ivelany, toy ny misariaka, miteny tsara, mizara fanomezana ho an’ny mahantra, manohana ny asan’ny Fiangonana, miady ho an’ny mahantra na mikarakara sy mamelona vady aman-janaka sns….Indrisy tsy misy dikany anefa ireny raha vao tsy ny fitiavana ny hafa no fototr’izany ka manosika fa ny fitiavan-tena sy ny fisehoana ivelany.
Andriamanitra dia tia antsika satria Izy mihintsy no fitiavana. Izay rehetra tia dia naterak’Andriamanitra araka izay ambaran’ny I Jaona 4.7. Ny olona rehefa ao Aminy dia tia ho azy, tsy sarotra ny mitia namana fa ny fahavalo koa aza mba hainy tiavina ihany. Ireo ambaran’ny 4 ka hatramin’ny 13 ireo dia fomba fanehoana ilay tena fitiavana tena faran’izay tsara dia ilay atao hoe AGAPE. Io fitiavana io no ahafahana mitia ny olona rehetra na vady na zanaka na ray sy reny na namana na fahavalo.
Fanontaniana
Inona avy ireo karazana fitiavana fantatrao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe