Ny fitiavana ao amin’ny fiombonana

Mofonaina anio: Zoma, faha 08 Novambra 2024

Romana 12. 9-21

Romana 12. 9-21
9 Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara. 10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra. 11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo. 12 Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. 13 Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny. 14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. 15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany. 16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo*. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin'ny malahelo] 17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra. 18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. 19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35). 20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22). 21 Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.

Ny fitiavana ao amin’ny fiombonana

1. Fitiavana marina

Ny tena fitiavana marina dia mankahala ny ratsy, ary mifikitra amin’ny tsara. Tsy fihetseham-po fotsiny akory fa tena vokatry ny fo, fitiavana manasoa ny hafa, tsy mihatsaravelatsihy. Fitiavana marina toy ny fifankatiavan’ mpirahalahy, mifampitondra toy ny mpirahalahy, mifampitondra toy ny mpiray tampo ao amin’i Jesoa Kristy.

2. Fitiavana maharitra

Mamporisika ny kristiana i Paoly mba tsy ho kamo amin’ny fanompoana ny Tompo, ka hihazona ny hafanam-po amin’ny fanompoana ary haharitra amin’izany rahateo koa. Hifaly mandrakariva amin’ny fanantenana, hifanohana am-bavaka, ary haneho faharetana sy fikirizana ao anatin’ny fisedrana.

3. Fitiavana mijery ny hafa

Andraikitry ny mpino ny fitsinjovana izay olona sahirana ao aminy. Hiantra ny olona masina araka izay ilainy, ary mampiantrano vahiny. Milaza fanampiana izany, ohatra: fifampitsinjovana. Ny fampiantranoana vahiny dia mifantoka amin’ny fikarakarana olona tsy fantatra sy vahiny. Ny tranontsika, ny fontsika ary ny paosintsika dia tsy maintsy misokatra amin’ny fanompoana azy ireo. Fitiavana mijery ny hafa.

4. Fitiavana mahay miara-miaina

Fahaiza-miaina tsy misy rahoraho. Paoly eto dia mamporisika ny mpino tsy hirehareha fa mba ho tia mandrakariva ny fifaneraserana amin’ny olona rehetra. Ampanjakao eo amin’ny fiainam-panompoana ny fiainam-pitiavana

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny fitiavana ho toy ny zava-tsarotra amin’izao andro iainantsika izao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe