NY FITIAVANA AGAPE

Mofonaina anio: Talata, faha 27 Aogositra 2019

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA

1 Korintiana 13.1-13
1 Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. 2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. 3 Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. 4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, 5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, 6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, 7 mandefitra* ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. [* Na: manarona] 8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana. 9 Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika; 10 fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony. 11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana. 12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy. 13 Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.

NY FITIAVANA AGAPE

1-Ambony amin’ny fanomezam-pahasoavana rehetra avy amin’ny Fanahy Masina

Mitana ny laharana voalohany amin’ny fanomezam-pahasoavana rehetra ny fitiavana « nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra » (1 Kor 12.31). Ny fitiavana Agape no ambarany amin’izany . « Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany » (Kol 3.14). Fotokevitra iombonan’ny didin’ Andriamanitra iainantsika dia ny fitiavana . « Fa ny anton’ny didy dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy «  (1 Tim 1.5). Zava-poana noho izany ny fivavahantsika sy ny asa rehetra ary ny ezaka rehetra ataontsika raha tsy manam-pitiavana isika.

2-Tsy ho levona mandrakizay

« Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay , fa raha ny faminaniana dia ho levona na ny fiteny tsy fantatra dia hitsahatra , na ny fahalalana dia ho foana  » (and8). Ny olona manana ity fitiavana Agape ity noho izany no haharitra mandrakizay sy ho afaka hifanatrika amin’ Andriamanitra Fitiavana . »Andriamanitra dia fitiavana, ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’ Andriamanitra , ary Andriamanitra ao Aminy «  (1 Jao 4.16).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8