Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Febroary 2020

DEOTERONOMIA 6.16-25

DEOTERONOMIA 6.16-25
16 Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa. 17 Tandremo tsara ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao. 18 Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason'i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena azy, 19 ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain'i Jehovah. 20 Ary raha manontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika anareo? 21 Dia holazainao aminy hoe: Andevon'i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta. 22 Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin'ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika. 23 Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin'ny razantsika homena azy. 24 Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao. 25 Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.

Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra

1-Mitondra filaminana (and18-19)

Raha mitandrina tsara ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika nomen’ Andriamanitra azy ny Zanak’Israely dia hahita soa sy fifaliana amin’ny lafim-piainana rehetra ao amin’ny tany Kanana. Tsy izany ihany fa Andriamanitra mihitsy no handroaka ireo te-hiady aminy . Rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra ny olona dia ho tamana amin’ny tany izay nisy azy sady tsy hisy fahavalo haka ny taniny an-keriny satria Andriamanitra no miaro azy . Ary izany no mahatonga an’i Jesoa mampanantena hanome fiainana mandrakizay , ho an’izay mankato ny teniny , dia ny tany tsy ananan’ny herin’ny ratsy fahefana. Ankatoavy ny Tenin’ny Tompo dia hiadana hianao eo amin’ny tany onenanao .

2-Fahatsiarovana ny famonjena (and21-25)

Ampahafantarina ny taranaka ny antony nahatonga ny fitandremana ny didin’Andriamanitra , dia ny fanafahany ny Zanak’ Israely tamin-kery nivoaka avy tany Egypta , izay tany nahandevozana azy ireo , ary nitondra azy ireo niditra nandova ny tany Kanana Izy . Fampahatsiahivana ny tantaram-pamonjena nataon’Andriamanitra no antony hitandremana ny sitrapony . Noho izany , izay rehetra mahatsiaro ny famonjena nataon’Andriamanitra taminy no miaina ny sitrapon’ Andriamanitra . Ary ny fahatsiarovana lehibe indrindra , dia ny famonjena antsika , ho afaka amin’ny fahotana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanany .

Fanontaniana:

Afa-po aminn’y fanakatoavana ny didin’Andriamanitra ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM