Ny fisehoan’ny fahatsaran’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 29 Novambra 2021
LIOKA 1.46-55
LIOKA 1.46-55
46 Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo, 47 Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy; 48 Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka rehetra ho sambatra aho. 49 Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany. 50 Ary ny famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby. 51 Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy. 52 Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa. 53 Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina. 54 Niahy an'isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony 55 (Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.Ny fisehoan’ny fahatsaran’Andriamanitra
1-Dia amin’ny alalan’ny fanandratany olona tsotra tao amin’ny tantaram-pamonjena (and48-49)
I Maria tovovavy tsotra , tsy mba anisan’ny taranak’andriana sady tsy voambara mazava ho mpanefoefo , nefa nofidin’Andriamanitra ho renin-janany , hitondra ny famonjena ho an’ny olon-drehetra . Endrey , izany hatsarany manome vidiny ny fisian’ny sokajin’olona rehetra eto an-tany .Tsy mba nisy izay notsinotsiniaviny . Raha efa nanana izay azy ireo heverina ho ambony , ireo taranaka andriana dia mba nasandrany ihany koa ny olona izay tsy dia hitan’ny fiaraha-monina loatra . Hoy ny Soratra Masina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10.34 » Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra » .
2-Amin’ny alalan’ny teny nomeny fa hamonjy ny olona rehetra tokoa Izy (and54-56)
Efa nifanao fanekena tamin’i Abrahama fa hamonjy ny olona rehetra amin’ny alalan’ny taranany. Fantatr’i Maria tsara fa ho tanteraka amin’ny alalan’ilay zaza aterany izany . Mitana ny teny nomeny ny Tompo ka manatanteraka izay nolazainy , ka dia indro fa tonga tokoa ilay famonjena . Ry havana , afaka manao fampitahana isika , saingy aoka ho tsaroantsika tsara fa tsy misy tsara noho ny Andriamanintsika , raha tsy hijery afa-tsy ireo roa voalaza ireo fotsiny isika . Tsy diso adiresy isika fa aza matahotra , afaka ny hilaminan-tsaina tsara.
Fanontaniana
Mbola mety iadian-kevitra ve ny fahatsaran’Andriamanintsika sa ekena avy hatrany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM