Ny firosoana amin’ny fanambadiana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Oktobra 2023

TONONKIRAN’NY SOLOMONA  8.8-9

Tonon-kiran'i Solomona 8,8 - 9
8 Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay*; Ahoana no hataonay** amin'ny zandrivavinay***, raha mby amin'izay andro hangatahan'olona azy ho vady?[Na: isika][**Na: hataontsika][***Na: zandrivavintsika] 9 Raha manda izy, dia hanangananay* tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay** hazo fisaka sedera.[*Na: hananganantsika][**Na: hotampenantsika]

Ny firosoana amin’ny fanambadiana

1-Misy fangatahana

« … raha mby amin’izay andro angatahan’ olona azy ho vady »(and8).Dinidinika nifanaovan’ny anadahin’i Solemita tamin’ny fangatahan’ny olona azy ho vady  izany .Tamin’izany  fotoana izany,rehefa nodimandry ny raim-pianakaviana dia ny anadahin-drazazavavy no midinika momba ny fanambadiana . Araka izany ,ny fanambadiana dia misy dinika ifanaovana amin’ny ankohonana fa tsy fanapahankevitr’olo-tokana.Mila miray fo sy miray saina ny mpianakavy amin’ny fiatrehana izany .Marihana tsara koa anefa ,tsy mendrika ny vehivavy ny mivoaka avy ao amin’ny fianakaviana tsy vita fomba niarahana amin’ny fianakaviana.Ilaina hatrany ny tsodrano avy amin’izy ireo, ary ankasitrahana ao amin’i Kristy izany .Ny mpino kristiana dia manaraka izany  fampianarana  araka an’i Jesoa Kristy izany.

2-Safidy malalaka

« Raha mandà izy…fa raha varavarana kosa izy… ».Na dia eo aza ny dinika ifanaovana amin’ny ankohonana dia tsy midika ho tsy mana-tsafidy ny amin’izay olona ekeny ho vady ny zatovovavy. Fanao teo amin’ny Jiosy ny manontany  hoe : « handeha hiaraka amin’io lehilahy io va ianao ? »(Gen 24.58).Noho izany ,malalaka amin’ny safidiny ny zatovovavy ny amin’izay olona tiana ho  vadiny.Manamora ny fiatrehana ny firosoana amin’ny fanambadiana ny dinidinika ataon’ny ankohonana sy ny fianakaviana fa tsy  manery na mandà ny fanirian’izy roa akory.Izao no toromarika ho anao zatovovavy , aoka ho zatovolahy  « ao amin’ny Tompo » no ekena ho  vady  fa izany no ankasitrahana ao amin’i Kristy.

Fanontaniana :

Inona ireo olana mateti-pitranga eo amin’ny fianakaviana rehefa misy avoaka hanambady ? Omeo ny vahaolana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM