Ny finoan’ny mpianatra

Mofonaina anio: Zoma, faha 11 Aogositra 2023

Jaona 16.25- 33

Jaona 16.25- 33
25 Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro* izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin'ny Ray. [*Gr. ora]


Ny finoan’ny mpianatra

Eo am-pamaranana ny dinidinika nataon’i Jesoa tamin’ny mpianany Izy eto; ary arakaraka ny nifandraisan’i Jesoa Kristy tanin’izy ireo moa no ilazana hoe : nisy fiovana ihany ny momba ny finoan’izy ireo. Teo aloha mantsy, ny toko 14. 11 raha nilaza i Jesoa hoe: minoa ahy fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko, dia midika izany hoe : mbola tsy manana izany finoana izany mihitsy ny mpianatra. Eto kosa anefa dia azo lazaina hoe efa niova izany satria hoy ny mpianatra eo amin’ny and.30 hoe izany no inoanay fa nivoaka avy tamin ‘Andriamanitra anao. Mbola ny finoan’ireo mpianatra ireo ihany koa no nilazan’i Jesoa Kristy eto hoe : ho avy ny andro izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony. Ary mahatsapa izany indrindra ny mpianatra araka ny voalaza eto hoe indro milaza tsotra lanao ankehitriny fa tsy manao anoharana akory. Tsy ho zakan’ny sain’izay tsy manam-pinoana mihitsy mantsy ny handray ny zava-misy marina izay ambaran’i Jesoa (ampitahao:Jao 3. 12).Araka ny and 26- 27, tsy hiasa intsony toy ny mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny mpianany i Jesoa satria dia hiresaka mivantana amin’ Andriamanitra ireto mpianalra ireto anin’izany fotoana izany. Aseho araka izany fa tokana Andriamanitra Ray sy Jesoa amin’ izany ka raha miresaka Aminy ny mpianatra dia hivantana amin’ Andriamanitra mihitsy ary ny finoan’ny mpianatra no mahatonga Zany. Na izany aza anela, ny finoan’ny mpianatra dia tsy nahatazona azy ireo hiara-hiaritra ny fahafatesana tamin’i Jesoa Kristy satria voalaza eto hoe : handao an’i Jesoa Kristy ireto mpianatra ireto ka hiely any amin zay
misy azy avy any.


Fanontaniana:

Azo atao ve ny mijoro amin ‘ny finoana mpiara- miaritra amin I Jesoa?


Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM