Ny finoana miasa ao anaty

Mofonaina anio: Zoma, faha 26 Aogositra 2022
1 Timoty 6,17 - 21
17 Anaro ny mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova*, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, [* Gr. fiovavovan'ny harena] 18 mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto manome sy miantra, 19 ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana. 20 Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin'ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin'izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy, 21 izay neken'ny sasany, ka nania tamin'ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
Ny finoana miasa ao anaty
1- Manosika ny olona hitoky feno amin’Andriamanitra.

Asain’i Paoly mananatra ny mpanankarena i Timoty eto. Marihina Fa ny mpanankarena izay voalaza eto dia ireo izay mahazo ny harena amin’ny fomba marina sy madio, tsy ireo izay mampiasa ny fivavahana ho fitaovana hanangonan-karena. Na izany aza dia misy ny vela-pandrika ataon’i Satana, dia ny hitokiana ireo harena hita maso ary koa ny avonavom-po. Rehefa manana fananana be isika matetika dia manadino an’ Andriamanitra ary manao tsinontsinona ny hafa. Lasa any amin’ny harena sy fananana ny fo sy ny saina. Ny harena dia mety lo, tsy afaka miantoka ny mandrakizaintsika velively. Noho izany indrindra no hamporisihin’i Paoly eto, dia ny mba hitokian’izy ireo amin’ Andriamanitra, Ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay « Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika » (and. 17). Fa voasoratra hoe : Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo » (Isaia 52.3). Ny tena antoky ny fifaliantsika Kristiana dia ny fananantsika an’i Jesoa Kristy.

2- Manosika ny olona hanao asa tsara

Tsy entina hieboeboana tsy akory ny harena fa hanaovana asa tsara: « mba hanao soa, mba hanankarena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra » (and. 18). Nomen’i Jesoa Kristy lanja mihitsy ireo asa tsara ireo fony Izy mbola teto an-tany, hoy Izy: « Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » (Asa 20. 35) « Sambatra ny miantra, fa izy no hiantrana » (Mat 5. 7). Ny fanaovana asa tsara dia vavolombelon’ny finoana marina, raki-tsoa ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fihariana fonenana tsara ho an’ny tena ho amin’ny andro ho avy, fihazonana ny tena fiainana and. 19. Ny fitaizam-panahy ataon’ny Fiangonana dia mahatonga ny olona hanana finoana matanjaka ka sahy sy vonona ho amin’ny asa tsara.

Fanontaniana: Manam-pinoana matanjaka hahazoanao manao asa tsara ve ianao?

FJKM, Sekoly Alahady Foibe