Ny finoana marina
Mofonaina anio: Alarobia, faha 13 Desambra 2023
Jaona 4. 31-42
Jaona 4. 31-42
31 Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô. 32 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo. 33 Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re? 34 Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany. 35 Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy. 36 Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. 37 Ary amin'izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja, 38 Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin'izay nisasarany. 39 Ary maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanàna izany no nino an'i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko. 40 Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy. 41 Ary maro koa no nino noho ny teniny 42 ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.Ny finoana marina
Asehon’ity mofonaina ity ny asa fanompoana notanterahin’ ilay vehivavy samaritana sy ny vokatr’ izany.
1- Miditra amin’ny fifandraisana marina
Nitaona ireo mpiara-monina taminy mba hihaona amin’i Jesoa Kristy ilay vehivavy Samaritana.Noreseny lahatra ny olona fa i Kristy no niresaka taminy satria mahalala ny fiainana manontolo (and.29). Niampita ny finoana, nino an’i Jesoa Kristy ireo Samaritana tao an-tanàna nisy an’ity vehivavy ity. Tsy finoana am-bava fotsiny anefa fa finoana nitarika azy ireo nifandray akaiky tamin’i Jesoa. Nangataka an’i Jesoa Kristy mba hiditra sy hitoetra tao amin’ny tanàna misy azy ireo (and.40). Ny olona tena mino an’i Jesoa Kristy Mpamonjy dia manamafy mandrakariva ny fifandraisana Aminy.
2- Ambara ho ren’ny rehetra
Nanaiky ny hetahetam-pon’ireo Samaritana i Jesoa Kristy ka nitoetra tao amin’izany tanàna izany tao anatin’ny roa andro. Roa andro namelona sy nampitombo ny finoan’izy ireo noho ny fifaneraserana. Nahita ilay Mpamonjy, niara-nonina tao anatin’ny andro vitsy, nihaino ny Teniny ka indreo naneho sy nanambara ny finoana tao anatiny. Hoy ny tenin’izy ireo : « Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa lzy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. » (and. 42). Ny olona mahafantatra fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy dia mahajoro vavolombelona mandrakariva.
Fanontaniana:
Mpamonjy anao i Jesoa Kristy, manao ahoana ny fifandraisanao Aminy ? Lazao endrika manao ahoana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM