Ny Filazantsara
Mofonaina anio: Zoma, faha 08 Septambra 2023
APOKALYPSY 14.6-7
APOKALYPSY 14.6-7
6 [Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana] Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, 7 nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora]Ny Filazantsara
1- Toriana amin’ny rehetra
« Manana ny Filazantsara mandrakizay hotoriana amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samihafa fiteny ary ny olona rehetra » (and6b) .Tsy voafetran’ny fotoana sy ny toerana ny Filazantsara fa maharitra mandrakizay hatreto an-tany ka hatrany an-danitra .Tsy mifidy toerana ihany koa fa toriana amin’ izay monina ambonin’ny tany,tsy hanavahana firenena,tsy hanavahana foko,na fiteny. Eto amintsika dia tsy mijanona amin’ny fiteny malagasy ofisialy ihany ny Baiboly fa miitatra amin’ny fitenin’ireo foko maro. Manana adidy hitory Filazantsara amin’ny olombelona rehetra amin’ny faran’ny tany isika (Asa 1.8)
2-Miantso anao hanome voninahitra ny Tompo
« nanao tamin’ny feo mahery hoe : matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy ary miankohofa eo anoloan’izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano » (and7) . Manazava ny vontoatin’ny Filazantsara ity voalaza eto ity . Ny Filazantsara dia mitaona antsika haneho amin’ny fiainantsika manontolo ny fahafantarana an’Andriamanitra sy ny fanomezana voninahitra Azy. Raha ao amin’ny mpino ny tahotra ilay niteny hoe : « aza mijangajanga » dia handà ny fijangajangana izany mpino izany . Raha ao amin’ny mpino ny tarigetra hanome voninahitra ny Tompo amin’izay rehetra ataony , dia handresy mora ny fakampanahy ny Tompo ka hitandro hatrany ny voninahitr’Andriamanitra
Fanontaniana :
Aiza avy no itoriana ary inona no hafatra ampitaina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM