Ny fifidianan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Jolay 2023

IMpanjaka 11. 29 - 39

1 Mpanjaka 11,29 - 39
29 Ary tamin'izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha. 30 Dia noraisin'i Ahia ny lamba vaovao-izay notafiny, ka notriatriariny ho roa ambin'ny folo. 31 Ary hoy izy tamin'i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin'ny tànan'i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo 32 (nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin'i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely), 33 satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr'i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak'i Amona, fa tsy nandeha tamin'ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an'i Davida rainy. 34 Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin'ny andro rehetra hiainany noho ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko; 35 fa hesoriko eo an-tànan'ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany. 36 Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an'i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako. 37 Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin'izay rehetra irin'ny fanahinao ary ho mpanjaka amin'ny Isiraely. 38 Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao*, tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary homeko anao ny Isiraely. [Heb. hanao trano maharitra ho anao] 39 Ary hampietry ny taranak'i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.

IMpanjaka 11. 29 – 39


Ny fifidianan’Andriamanitra


1- Mitaky fankatoavana ny didiny

« fa tsy nandeha tamin’ny làlako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko… »(and33). Andriamanitra nifidy an’i Davida sy ny taranany ho mpanjakan’ny Isiraely. Kanefa tamin’ny andro nanjakan’i Solomona dia niala tamin’ny didin’Andriamanitra sy ny fitsipiny izy ka lasa nanompo andriamanikafa. Vokatra izany, nesorin’Andriamanitra tamin’ny taranany ny fanjakana ka nomeny olon-kafa. Manoloana izany,mampianatra antsika olom-boafidin’ Andriamanitra indray ny teniny ka mila mankato ny didin’Andriamanitra isika, aza miala amin’ny fitsipiny ka mandeha manompo andriamanikafa. Ary ny fahafenoan’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra dia ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fiainana ny teniny. Koa minoa an’i Jesoa Kristy ary ankatoavy ny teniny.
2- Mariky ny fahatokiany
« ..mba hisy fanilo ho an’i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny Anarako. » (and. 36) Raha nanome ny foko folo teo an’i Jeroboama Andriamanitra dia mbola nametraka foko iray kosa lzy ho an’ny taranak’i Davida tao Jerosalema. Tsaroan’Andriamanitra ny fanekena nataony tamin’i Davida mpanompony ka nahatoky tamin’izany Izy. Na dia tsy mahatoky sy mivadibadika amin’ny fanekena aza ny olona, Andriamanitra kosa mahatsiaro mandrakariva ny fanekeny. Ary izany no nahatonga Azy nanome an’i Jesoa Kristy Zanany mba hamonjy izao tontolo izao. Andriamanitra mihazona ny fanekeny dia mikendry famonjena ho an’ny olom-boafidiny koa izay rehetra mino an’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Inona no sampy mahatonga anao manadino ny fifidianana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM