Ny fifandraisana amin’ny Tompontsika
Mofonaina anio: Talata, faha 01 Aogositra 2023
Romana 11: 13-21
Romana 11,13 - 21
13 Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin'ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako, 14 raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko*, mba hamonjeko ny sasany aminy. [* Gr. ny nofoko] 15 Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana* amin'ny maty ny fandraisana azy? [* Gr. fiainana] 16 Ary koa, raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia masina koa ny sampany. 17 Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky* ny hazo oliva [* Na: (fakany sy ny menaky)] 18 dia aza mirehareha amin'ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao. 19 Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy. 20 Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora; 21 fa raha ny tena sampana aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.Ny fifandraisana amin’ny Tompontsika
1- Ananany fahefana feno ny hitohizany na tsia.
« Marina ihany izany, ny tsy finoany no nanapahana azy… » (and 20a). Rehefa niala nenina tamin’ireo Jiosy sasany i Paoly ka niziriziry tsy hanaiky ny Filazantsara izy ireo, dia niantefa ho any amin’ny Jentilisa indray ny fitoriana Vaovao Mahafaly. I Paoly izay Apostolin’ny Jentilisa dia nanambara fa « notapahina ny sampana sasany » (and 16). Araka izany dia tafasaraka amin’ny tena foto-boaloboka ireo Jiosy sasany ireo. Hazavain’i Paoly fa ny tsy finoany no nanapahana azy (and 20). Araka izany, na iza na iza milaza azy ho vahoakan’Andriamanitra, na iza na iza misora-tena ho Kristiana kanefa miala na tsy manaiky ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo dia tapahin’ny Tompo ny fifandraisana aminy, toy ny sampana tafasaraka aman-taho
2- Miroborobo amin’ny alalan’ny finoana
Nampitandrina i Paoly hoe: « Aza mirehareha amin’ny sampany, fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao » (and 18). Jesoa Kristy Tompo no toy ny foto-boaloboka. Izy no mahatonga ny mpino hiaina sy ho velona. Ny finoana Azy no antoka hahatonga antsika ho tafatoetra. Izany no mahatonga an’i Paoly hiteny hoe: Ianao izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo » (IKor 10, 12). Tano mafy ary ny finoana, miorena tsara, aza miova. Aza atao ambanin-javatra ny vavaka, ny fandalinana Soratra Masina sy ny fiainana izany isanandro isanandro.
Fanontaniana:
Zava-dehibe ny fikolokoloana ny finoana, nahoana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM