Ny fifalian’ny Ray amandreny
Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Desambra 2021
2 JAONA 1.1-8
2 JAONA 1.1-8
1 [Anatra ny amin'ny faharetana amin'ny marina, sy ny tsy handraisana ny mpampianatra sandoka] Izaho loholona* mamangy an'itompokovavy** voafidy sy ny zanany, izay tiako amin'ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa) [* Gr. Ny presbytera] [** Na: an'i Kyria] 2 noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay: 3 ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana. 4 Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin'ny Ray. 5 Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy*, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika. [* Na: ry Kyria] 6 Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin'ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy. 7 Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy. 8 Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.Ny fifalian’ny Ray amandreny
1-Miaina amin’ny finoana marina ny mpino
Maneho ny fifaliany ny mpanoratra fa na dia teo aza ny fisian’ny mpampianatra sandoka , ireo olona tsy mino an’i Jesoa ka manozongozona ny finoan’ny kristiana dia hita fa tsy niova tamin’ny fampianarana marina efa noraisiny ireo olona anoratana. Nitoetra tamin’ny fampianarana marina ,sy finoana marina , satria fampianarana latsaka ao anaty tao am-po izany .Rehefa ao am-ponaoni Jesoa Kristy dia marina ny finoanao , afaka miaina any finoana marina ianao ary tsy mivadika amin’izany.Mahafaly izay nampianatra anao izany no mahafaly ny ray amandreny ihany koa ka mahatonga anao afaka hiaina amin’ny fifaliana marina.
2-Miaina amin’ny fitiavana marina
Ny fiainana tamin’ny fampianarana dia tsy mijanona tamin’ny toetry ny finoana marina ihany , fa niseho koa tamin’ny fiainana ny didy izay efa nampianarina ny mpino. Miharihary fa anisan’ny toe-javatra nahafaly ny mpanoratra ny fahafantarany fa niaina tamin’ny fitiavana , ny fifankatiavana ny mpino ary mbola mampahery hatrany ireto olona hanoratana izy mba hanohy ny fiainana izany fitiavana izany eo amin’ny fiaraha-monina misy azy ireo (and6) . Ny tena fifaliana lehibe ho an’ny Ray amandreny dia ny fahafantarana fa miaina amin’ny fitiavana ny zanany , tia ny namana. Rava ny endriky ny fisarahana .
Fanontaniana :
Nahoana no mahafaly ny Ray amandreny ny fiainanao ny fampianaram-pinoana marina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM