Ny fifalian’ny mpanompon’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Desambra 2021
SALAMO 30.6-12
SALAMO 30.6-12
6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako] 7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho. 8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe: 9 Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany? 10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao. 11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana, 12 Mba hankalazan'ny fanahiko* Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]Ny fifalian’ny mpanompon’Andriamanitra
Noho ny famonjena izay noraisiny dia midera an’Andriamanitra i Davida . Fiderana maneho ny fifaliany .
1-Mahatsapa ny asan’Andriamanitra
Tsapan’i Davida fa toa tsinotsinona ny fahalehibiazany , ny heriny manoloana ny zava-mitranga eo amin’ny fiainany .Tsy mahavonjy ny tenany izy . Raha toa ka miala eo anatrehan’Andriamanitra izy na minia miantehatra amin’ny herin’ny tenany dia latsaka anaty ny fahoriana , tsy afaka midera an’Andriamanitra. Tsapany noho izany fa Andriamanitra irery ihany no misy fiainam-pifaliana ho antsika . Ny olona tena mahatsapa ny asan’Andriamanitra dia mahay mifaly ka midera Azy mandrakariva .
2-Mametraka ny fiainana amin’Andriamanitra
Satria ao amin’Andriamanitra irery ihany no famonjena sy ny fifaliana ho azy , dia indro i Davida miantso , minatoraka, mametraka ny fiainany amin’Andriamanitra : « Mihainoa , Jehovah ô, ka mamindrà, fo amiko , Jehovah ô , aoka ho Mpamonjy ahy ianao » (and 10). Mivavaka , miantoraka, manankina ny ho aviny amin’Andriamanitra izy . Mpamonjy azo antoka Andriamanitra , rehefa eo amin’Andriamanitra ny fiainana dia miova ho fifaliana ny fahoriana (and11) . Azo antoka ny fifaliana rehefa mifandray mandrakariva amin’Andriamanitra isika . Ankino Aminy ny fiainanao ao Aminy . Ao amin’i Jesoa Kristy no fitsaharana sy fiadanana ho fifaliana ho anao .
Fanontaniana :
Nahoana no variana mitady famonjena sy fifalina any an-toeran-kafa ny olona ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM