Ny fifalian’ny mpanompon’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 29 Aogositra 2023
ROMANA 1.8-17
ROMANA 1.8-17
8 Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo. 9 Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho, 10 dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra. 11 Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo, 12 izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy. 13 Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankat? aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra at? aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany. 14 Ananan'ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho; 15 koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho. 16 Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika] 17 Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana]Ny fifalian’ny mpanompon’Andriamanitra
1-Ny lazan’ny finoan’ny hafa
Misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy i Paoly raha manoratra ho an’ny mpino Romana noho ny lazan’ny finoana (and 8) ,niteraka fifaliana fifaliana ho azy izany .Mahatonga ny mpanompon’Andriamanitra hisaotra Azy ny nandrenesany ny finoan’ireto farany .Eo amin’ny fiaraha-monina dia zava-dehibe tokoa ny fankasitrahana ny tsara izay vitan’ny olona hahatonga azy hanao mihoatra noho izay vita , ary mahatonga fifandraisana tsara eo amin’ny samy mpanompo .Toy izany no nataon’i Paoly ho an’ireo Romana.Mendrika hankasitrahana ny kristiana izay malaza amin’ny finoana marina mba ho fiarahan’ny hafa koa.
2-Ny mivavaka ho an’ny hafa
Tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho ka mandrakariva raha mivavaka aho .Maniry dia maniry ho any Rima i Paoly raha manoratra , fa mangataka izy tao amin’ny vavaka ataony mba hisy fotoana hahafahany (and10). Ny fifalian’ny mpanompon’Andriamanitra dia ny mivavaka ho an’ny hafa fa tsy an’ny tenany ihany .Manao ho zava-dehibe ny hafa izy araka ilay tenin’i Jesoa hoe: « Tiava ny namanao » hoe: « Tiava ny namanao ». Ento am-bavaka ny hafa mba hiorina tsara amin’ny finoana an’i Jesoa.
3-Ny hitory vaovao mahafaly ho an’ny hafa
Paoly dia mahatsiaro fa ananan’ny hafa trosa fa hoy izy : « ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra ,ny hendry sy ny tsy hendry trosa aho« (and14) .Izany no nahatonga azy hitory Filazantsara any Roma koa.
Fanontaniana:
Inona no adidy tokony raisin’ny kristiana mba hahatanteraka ny fifaliany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM