Ny fifaliana omen’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 08 Desambra 2021

Lioka 1. 18 - 25

Lioka 1. 18 - 25
18 Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko. 19 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany. 20 Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany. 21 Ary ny olona dia niandry an'i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin'ny tempoly. 22 Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin'ny tempoly izy; ary izy nanao baikon'ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany. 23 Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy. 24 Ary taorian'izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe: 25 Izao no nataon'ny Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona.

Ny fifaliana omen’Andriamanitra

1- Ambaran’ny iraka manokana

Nisalasala tamin’ny fanambaran’ny anjely i Zakaria. Nasehony fa toa sarotra ny hahatanterahan’izany satria efa antitra izy sy ny vadiny. Nahariharin’ilay anjely fa marina ny fanambarany. Andriamanitra marina no naniraka azy hitondra teny mahafaly ho an’i Zakaria. Marina ny hafatra tiany ho voarain’ny mpanompony, noho izany dia hisy famantarana hiseho eo amin’ny fiainan’i Zakaria ambara-pahateraky ny zaza : ho moana izy. Tsarovy fa maniraka ny mpanompony ho antsika mandrakariva Andriamanitra hanambara ny Teny soa mahafaly ho antsika. I Jesoa Kristy no vaovao mahafaly ho antsika. Koa minoa Azy dia ho tanteraka ny fifalianao.

2- Manala tondromaso

Niaina tamin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra i Elizabeta. Noho izy tsy niteraka anefa dia toa tsy nanana ny toerana naha- izy azy tao amin’ny fiaraha-monina, tsy nanana fiainam-pifaliana. Niasa tamin’ny fomba tsy takatry ny sain’olombelona anefa Andriamanitra araka ny hafatra nambaran’ny anjely ka nitoe-jaza izy. Nasehony ny fifaliany fa nitsinjo azy Andriamanitra, nahafa-tondromaso azy Andriamanitra, fifaliana no nameno ny fony. Andriamanitra mihitsy no miasa mba hahafan’ny mpanompony miaina amin’ny fifaliana. Matokia an’Andriamanitra fa mahalala ny mahasoa antsika mandrakariva Izy. Avy Aminy ny tena fifaliana ho antsika.

Fanontaniana :

Fomba ahoana no ahafahanao manambara ny fifaliana avy amin’Andriamanitra ho an’ny manodidina anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM