Ny fifaliana avy ao am-po

Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Desambra 2021

1 SAMOELA 2.1-5

1 SAMOELA 2.1-5
1 [Fisaorana nataon'i Hana] Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho. 2 Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika . 3 Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa. 4 Tapaka ny tsipìkan'ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery. 5 Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka.

Ny fifaliana avy ao am-po

Vavaka fisaorana an’Andriamanitra nataon’iHana noho ny nahazoany valim-bavaka no hitantsika eto .

1-Fanehoana ny asan’Andriamanitra

Naneho ny tao am-pony tamin’Andriamanitra i Hana . Fifaliana avy tao am-po noho ny asan’Andriamanitra izay tsapany teo amin’ny fiainany . Nifaly izy teo ny fahazoany zaza , fa ny zav-dehibe indrindra dia noho ny fahatsapany fa miasa Andriamanitra , miasa eo amin’ny fiainany , miasa ho famonjena azy . Rehefa ny famonjena nataon’Andriamanitra no mampifaly ny olona dia mitoetra mandtakizay ny fifaliana satria fifaliana vokatry ny finoana izay tsy miova mandrakizay no iainana ny famonjena. Minoa fa misy fifaliana ho anao tokoa ao amin’Andriamanitra . Tsarovy ny asam-pamonjena nataony ho anao tao amin’i Jesoa .

2-Fanomezana toerana an’Andriamanitra

Miharihary amin’ny tonombavaka nataon’i Hana fa tokony hiaina amin’ny fanetrentena mandrakariva ny olona . Tsy tokony hiantehatra na hirehareha amin’ny heriny , voafetra ny maha-izy azy ny olona manoloana ny fahalehibiazan’Andriamanitra . Ny asan’Andriamanitra dia mampiova tanteraka ny toe-javatra rehetra : « tahaka ny tsipikan’ny olo-mahery ary izay mila ho reraka dia sikinana hery  » (and4) .Tarihana ny olona rehetra mba hanome anjara toerana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainany mba hananana fifaliana mandrakariva. Miaraka amin’Andriamanitra no tena handraisana ny fifaliana .

Fanontaniana :

Inona no tokony hatao mba hanana ny fifaliana maharitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM