Ny fiderana an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 12 Desambra 2023

Salamo 8. 1-9

Salamo 8. 1-9
1 [Ny voninahitr'Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny ny olombelona] Ho an'ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao. 2 Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy. 3 Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, 4 Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? 5 Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. 6 Efa nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny tongony, 7 Dia ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa, 8 Mbamin'ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny lalan-dranomasina. 9 Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!

Ny fiderana an’Andriamanitra


1- Manapaka ny zavatra rehetra Izy

«Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao …».Ny anarana dia maneho ny maha -izy ny olona iray, ny toetra mampiavaka. Resy lahatra eto i Davida, gaga, talanjona rehefa nandinika sy nijery ny asan’ Andriamanitra eto amin izao tontolo izao. Eo ambany fahefan’ Andriamanitra ny zavatra rehetra, izay heverina ho kely sy tsinontsinona toy ny zava- madinika no nanehoany ny heriny mba hampanginana ny fahavalo. Maneho ny voninahitry ny anaran’Andriamanitra izany, maneho ny maha-Andriamanitra mahery Azy. Izany asa miavaka, asa be voninahitra izany no nitarika azy hidera, hankalaza an’Andriamanitra. Ny olona mahay mandinika ny asan’Andriamanitra dia mankalaza Azy mandrakariva.
2-Mihevitra manokana ny olombelona Izy
Miavaka tao anaty ny voahary noharian’Andriamanitra ny olombelona. Olombelona manana ny fahalemena, efa niodina tamin’ Andriamanitra kanefa tsinjoviny manokana, heveriny mandrakariva ny fiainany. Nomen’Andriamanitra fahefana amin’ny zava-boahary rehetra ny olombelona, misitraka ny fitahiana avy amin’ny zava-boahary rehetra ny olona. Fiainana miavaka amin’ny zava-mananaina rehetra izany. Noho izany fiheveran ‘Andriamanitra manokana ny olona izany dia midera an’Andriamanitra izy. Ny olona resy lahatra fa mihevitra ný fiainana Andriamanitra dia tsy mitsahatra mankalaza Azy.

Fanontaniana:
Tanisao ireo asan ‘Andriamanitra eo amin ‘ny fiainana isanandro.Inona no tokony hataonao manoloana izany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM