Ny fiantsoan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 31 Jolay 2021
1 KORINTIANA 1.26-31
1 KORINTIANA 1.26-31
26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; 27 fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; 28 ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, 29 mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra. 30 Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika, 31 mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9. 23).Ny fiantsoan’Andriamanitra
1-Mitaky fanetrentena
« Fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry « (and27)
Ny Fiangonana tao Korinto dia niangonan’ireo olona manankarena , manam-pahaizana , nanana ny toerany teo amin’ny fiaraha-monina . Nirehareha tamin’izany izy ireo . Nananatra azy ireo i Paoly Apostoly ka nanambara fa Andriamanitra dia nifidy ny malemy hanehoany ny heriny . Koa tsy izay mirehareha ho manam-pahendrena na hendry , na izay mihevi-tena ho mahery fa izay itoeran’ny herin’Andriamanitra . Izay olona rehetra mila ny herin’Andriamanitra dia tsy maintsy manetry tena . Noho izany, ny olona mihevitra ny fiantsoan’Andriamanitra azy dia mahay manetry tena mba hitoeran’ny herin’Andriamanitra ao aminy . Mianara manetry tena tahaka an’i Jesoa kristy
2-Mitaky fiombonana amin’i Kristy
« Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesoa izay nataon’ Andriamanitra fahendrena … » (and30)
Teo amin’ny Jiosy , ny fahendrena sy ny fahamarinana dia maka endrika olona sady olona rahateo. Toy izany koa ny Filazantsara izay naka endrika olona dia Jesoa Kristy . Andriamanitra anefa efa nampiombona ny mpino tamin’i Jesoa Kristy . Noho izany , ny olona nantsoin’ Andriamanitra dia miombona amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanekena ny fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana araka ny Filazantsara . Tsy tokony hisy olona milaza ny tenany ho miombona amin’i Kristy kanefa mandà ny fahendrena sy fahamarinana ary ny fahamasinana ao aminy . Satria efa nantsoin’Andriamanitra ianao dia manàna fiombonana aminy amin’ny alalan’ny fanekena nyFilazantsara .
Fanontaniana :
Ahoana ny fomba iainanao ny fiantsoan’Andriamanitra anao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM