Ny fiantorahana amin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 14 Aprily 2022
SALAMO 56.1-13
SALAMO 56.1-13
1 [Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy any am-pandosirana] Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy. 2 Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko. 3 Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao. 4 Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko? 5 Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny*; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.[Na: Mamily ny teniko mandrakariva ireny] 6 Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko. 7 Amin'izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va*? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.[Na: Ny faharatsiana no atao-ny ho famonjena azy] 8 Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny? 9 Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra. 10 Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny. 11 Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko? 12 Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao. 13 Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona*.[Na: fahazavan'aina]Ny fiantorahana amin’Andriamanitra
1-Mitaky fatokiana
Niantoraka tamin’Andriamanitra i Davida ka nanao antso avo ny hamindrana fo aminy , satria mafy ny fanafihana nataon’ny fahavalo . Ao anatin’izany anefa no nanehoany ny fatokiany an’Andriamanitra . Nitaraina taminy izy satria fantany fa tsy miafina amin’Andriamanitra ny zava-misy : » Izao dia fantatro fa momba ahy Andriamanitra » . Na dia nandalo ady sarotra sy olana aza Izy dia ninoany fa tsy nandao azy Andriamanitra.Ankoatra izany dia velom-pinoana izy ka naverina indroa ilay teny eo amin’ny and 4 sy and 11, fa Andriamanitra no itokiako fa »Andriamanitra no itokiako , ka tsy hatahotra aho , inona no hataon’ny olona amiko ? » Entina ilazana izany fa matoky zato isanjato ny herin’Andriamanitra Izy ary mihazona ny fanekem-pihavnana izay nataony.Maneho ny tsy fitovian’Andriamanitra sy olona koa izany , satria dia tsinotsinona ny olona ary mety mivadibadika . Koa matokia an’Andriamanitra amin’ny zava-drehetra izay miseho eo amin’ny andavanandrom-piainanao .
2-Mahatonga fandresena
Rehefa nivavaka izy dia noheveriny ho toy ny efa nahazo valiny sahady . Efa nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana ianao .Izany no teny nanehoany ny finoany an’Andriamanitra ary dia nanomana fanati-pisaorana ho Azy izy . Ny fahatsapan’i Davida ny fahatsaran’Andriamanitra sy hy fitiavany no nahatonga azy hidera , na dia efa nifofo ny aina aza ny fahavalony dia tsy nanana tahotra , satria rehefa Andriamanitra no momba dia mandresy mandrakariva .Tsy azo adinoina ihany koa fa Andriamanitra dia mahery lavitra noho ny fahavalon’i Davida , satria hoy izy :« Aripaho amin’ny fahatezeranao ny firenena Andriamanitra ô » . Jesoa Kristy dia efa nilaza fa « ety amin’izao tontolo iza no hahitanareo fahoriana… Noho izany , rehefa tojo olana dia hampahereziny amin’ilay tohiny hoe : « nefa matokia, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao« , eny fa na ny fasana aza dia tsy nahatazona Azy fa naharesy ny fahafatesana Izy .
Fanontaniana :
Iza no hatoninao voalohany rehefa tojo olana ianao : Andriamanitra ve sa olombelona?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM