Ny Fiangonana miray hina dia:
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 14 Aogositra 2025
(Sal 133 / Hira 534 / Vavaka / Mofonaiana / Vavaka / Hira FF39)
Asan'ny Apostoly 4, 32-37
32 [Ny nifankatiavan'ny mpianatra sy ny fahazotoany] Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany. 33 Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra. 34 Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo, 35 ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy 36 Ary Josefa, izay nataon'ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany, 37 dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.Ny Fiangonana miray hina dia:
1- Miray fo.
Ny mpino miray fo dia miombona fitiavana an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina. Mpino mitovy tarigetra manoloana ny ady amin’ny asa ratsin’ny satana sy ny forongony. Miaina amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy satria samy zanak’Andriamanitra. Miaina ilay « didy vaovao » izay nampianarin’i Jesoa (Jao13.34-35). Mpino miara-mizotra amin’ilay « lalana sy fahamarinana ary fiainana« . Miaina fihavanana sy firahalahiana.
2- Miray fanahy.
Ireo mpino ireo dia samy manana ny « fanahin ‘ny finoana » (2Kor 4,, 13), fanahin’ny fahendrena (Efes 1, 17), fanahin’ny fahamarinana (Jao4,6), fanahin’ny fahamasinana (Rom 1,4). Samy manana ny Fanahin’ny Tompo izy ireo. Ny mpino manana izany Fanahy izany dia manana Fanahy fahendrena ka izay ataony dia kendreny hifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra eo ambany fıtarihan’ny Fanahy Masina. Natao batisa amin’ny Fanahy iray ihany izy rehetra, ka tsy mifankahala na mifanenjika sanatria.
3- Mandresy ny fahantrana
« Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy… » (and 34a). Hoy ny dikan-teny iombonana hoe: « tsy nisy orin-javatra teo aminy« . Miditra an-tsehatra amin’ny lafiny rehetra ny fivavahantsika. Hatrany amin’ny Deo 28, 1-14 dia nitso-drano antsika ny Tompo mba hisitrahantsika fitahiana sy fahasoavana. Manana adidy hitondra anjara biriky handresena fahantrana isika. Efa natombok’i Jesoa izany.
Fanontaniana :
Inona avy no azontsika atao handresena ny fahantrana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe