Ny fiainan’ny mpino Kristiana

Mofonaina anio: Talata, faha 10 Desambra 2024

Romana 5. 1-5

Romana 5. 1-5
1 [Ny soa ananan'ny mino an'i Kristy, sy ny fihoaran'izany noho izay soa verin'i Adama] Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana* fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Na: (dia manana)] 2 Tamin'ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin'ny finoana ho amin'izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin'ny fanantenana ny voninahitr'Andriamanitra. 3 Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; 4 ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; 5 ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra* ho ao am-pontsika. [* Na: ny fitiavana an'Andriamanitra]

Ny fiainan’ny mpino Kristiana

1- Mihavana amin’Andriamanitra

Noho ny finoana an’i Jesoa Kristy maty sy nitsangana tamin’ny maty dia tonga marina eo anatrehan’ Andriamanitra ny mpino. Marina, nohamarinina noho ny finoana, mihavana amin’ Andriamanitra. Izy Andriamanitra mihitsy no manafoana ny didy fanamelohana ny olona noho ny fahotana. Hamafiso ny fihavananao amin’Andriamanitra, minoa Azy amin’ny fandraisana an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao.

2- Mahay mifaly ao amin’Andriamanitra

Miaina amin’ny fiainam-pahasoavana ny mpino kristiana, dia ny fahasoavana izay natobak’Andriamanitra teo amin’ny fiainany noho ny amin’i Jesoa Kristy nanaiky ho faty hisolo voina ny olona mpanota. Io fahasoavana io no miantoka ny fiainana ho avy rehetra. Noho izany, izay rehetra manana fanantenana ny amin’izany dia mahay mifaly ao amin’Andriamanitra na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainany.

3- Maharitra amin’ny fanarahana Azy

Mbola miaina eto an-tany anefa ny mpino kistiana na dia izany aza. Mifamahofaho eo amin’ny fiainana ny fifaliana sy ny fahoriana. Ny fahoriana dia avelan’ Andriamanitra hiseho ho fanefena, ho amin’ny fitaizana ny finoana; noho izany dia tsy maintsy hahay mandefitra sy vonona hiaritra ny zavatra rehetra ny mpino. Raha tsy mitoetra amin’ny faharetana dia ho very maina ilay fanavotana.

Fanontaniana:

Ahoana no tokony hatao mba ahafahana mitoetra amin’ny fifaliana mandrakariva na dia mandalo fitsapana aza?

Sampana Sekoly Alahady Foibe