Ny fiainam-bavaky ny Kristiana

Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Janoary 2025

Sal 34. 1-3 / Hira 240.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 16

Jakoba 5. 13-18
13 Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana. 14 Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon*'ny fiangonana**; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; [* Gr. presbytera] [** Gr. eklesia] 15 ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony. 16 Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. 17 Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. 18 Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.

Jakoba eto dia mamariparitra ny amin’ny tokony ho endriky ny fiainana sy ny fiaraha-monin’ny samy kristiana. Manambara izy amin’izany fa tokony hivavaka mandrakariva ny Kristiana amin’ny fotoana sy amin’ny zavatra rehetra. Na amin’ny fahoriana, amin’ny fifaliana, na amin’ny aretina dia tsy tokony hitsahatra amin’ny vavaka izay endriky ny fifandraisana amin’Andriamanitra hatrany ny mpino, satria izany ihany no ahafahana mampipololotra ny hetaheta sy faniriam-panahy eo amin’Andriamanitra. Aoka tsy ho amin’ny fifaliana ihany no iderantsika an’Andriamanitra.

Ny fanatonan’ny marary ny loholona no ahafahana manosotra diloilo sy mitondra am-bavaka azy. Fifanohanana amin’ny finoana izany. Ilana fifamelan-keloka koa izany fifampitondrana am-bavaka izany araka ny voalaza hoe: « koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha mba ho sitrana ». Ny olona mifankatia sy mifamela heloka no afaka mifanohana amin’ny fitadiavana valim-bavaka ao amin’ny Tompo. Ilana faherezana sy fikirizana izany fivavahana hitadiavana vahaolana izany. I Elia dia olona toa antsika ihany; ny faherezan’i Elia nivavaka no namalian’ Andriamanitra azy tamin’izay nangatahany ka nitondra akony teo amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina. Mahereza àry mifanohana amin’ny vavaka satria ny vavaka manova zavatra.

Vonona ve ianao hifanohana am-bavaka amin’ny fotoana rehetra?