Ny fanondroan’ny mino Ilay Mpamonjy azy

Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Septambra 2016
Isaia 40,9 - 11
9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô*, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô*, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! [*Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Ziona][**Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema] 10 Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany. 11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.

MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO

ISAIA 40.9-11

Ny fanondroan’ny mino Ilay Mpamonjy azy

1-Andriamanitra any amin’ny avo

Nataon’ny mino amin’ny toerana avo ny Tempoly satria nino izy ireo fa any amin’ny avo no toerana misy Ilay Tompo Andriamanitra . Naseho amin’ny fisian’ny tilikambo amin’ny trano fiangonana izany ankehitriny . Manondro miakatra ny tilikambo , ho toy masoandro , ilay Andriamanitra ny amin’ny avo . Mampahatsiahy izany fa Izy dia Andriamanitra ambonin’ny andriamanitry ny firenena rehetra izay tsinotsinona . Andriamanitra dia manana ny fahamboniany , dia ny Voninahitra tsy homeny ny hafa izay maha-Mpahary sy Mpamonjy ary mpanavao Azy .

2- Andriamanitra miasa tsy mitsahatra

Manan-kery hanatonanana ny olony Izy , mitondra azy amin’ny sandriny manapaka , ary manolotra valimpitia sy valinasa . Manao ny asan’ny mpiandry ondry amin’ny olony Izy . Tsy misy iso anjara ny olona tsirairay eo anatrehan’ny Tompo , indrindra ireo mino Azy . Miasa ny Tompo ary manao izay hananan’ireo fiadanana Izy . Mametraka azy ireo amin’ny toerana sahaza aza Izy , manangona amin’ny sandriny , mitrotro eo an-tratrany , mandroaka miadana azy .

Fanontaniana :

Aiza no toerana hihaonanao amin’ny Mpamonjy ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM