Ny fanompoan’ny Apostoly

Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Martsa 2020

ASAN' ny APOSTOLY 26.19-23

ASAN' ny APOSTOLY 26.19-23
19 Ary amin'izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho; 20 fa nambarako voalohany tamin'izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin'ny tany Jodia rehetra ary tany amin'ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana. 21 Ary izany no nisamboran'ny Jiosy ahy teo an-kianjan'ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy. 22 Ary noho ny fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy, 23 fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa.

Ny fanompoan’ny Apostoly

Iray amin’izay asa fanompoana notanterahin’i Paoly Apostoly no resahiny amin’i Agripa mpanjaka eto . Fanompoana izay ambarany eo amin’ny and 21 fa antony nisamborana azy . Asa fanompoana maneho fa tsy mora ny miasa ho an’Andriamanitra .

1-Manambara izay naseho taminy (and19,20)

Jesoa izay niseho taminy tamin’ny làlana ho any Damaskosy no fahitana ambaran’i Paoly fa tsy nolaviny ka nambarany . Izany fanambarana izany koa anefa dia mifototra amin’ny hazo fijaliana (and23). Ny fanompoana an’Andriamanitra dia tena fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny asa avelan’ Andriamanitra ho hitantsika. Adidin’izay nanehoan’Andriamanitra zava-mahagaga ny manambara izany amin’ny hafa mba hahatonga azy ireo koa amin’ny finoana. Tsy mahazo mangina fa tsy maintsy manambara Azy izay navelan’Andriamanitra hahita an’i Jesoa sy ny asany .

2-Mamerina ny olona amin’Andriamanitra (and20)

Mazava ny tanjon’i Paoly raha manambara an’i Jesoa izy: « mba hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra » . Ny asa fanompoana ny Tompo dia tena mikendry ny fiverenan’ny maro amin’ny Tompo . Izay fiverenana izay dia mila hita amin’ny fahaiza-mitondra tena tsara , mifanaraka amin’ny fibebahana marina. Ny fiverenana amin’ny Tompo noho ny asa fanompoana natao dia mitondra ho amin’ny fahatsaram-pitondrantena mandrakariva.Rehefa Jesoa no toriana sy ambara dia manova olona mandrakariva izany .

Fanontaniana :

Inona no tanjontsika raha manompo an’Andriamanitra isika?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny tenin’ny Fahasoavana

Zoma, 14 Febroary 2020

Ny tenin’ny Fahasoavana Mananatra ny loholon’ny Fiangonana tao Efesosy i Paoly Apostoly .Handao izy ,…

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Zoma, 10 Janoary 2020

ASAN’NY APOSTOLY 12.1-10 Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo 1-Amin’ny alalan’ny vavaka Mafy ny fanenjehana nohatra…

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alatsinainy, 6 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO JONA  2.1-11 1-Ho famerenana  ny  mpanompo mivily làlana Voatery  natsipy …