Ny fanomezana ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 04 Mey 2020
JOELA 3.1-5
JOELA 3.1-5
1 [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; 2 Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. 3 Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra sy et? amin'ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka mitankosina. 4 Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho rà, alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina. 5 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan'i Jehovah, ary izay antsoin'i Jehovah dia ho isan'izay afa-mandositra.Ny fanomezana ny Fanahy Masina
1-Ho an’ny olona rehetra
Tsy anavahana sokajin’olona ny fanomezana ny Fanahy Masina. Fampanantenana omen’ Andriamanitra ho an’izay olona mibebaka izany.Endriky ny fitahian’Andriamanitra ho an’ny olona ny fiavian’ny ranonorana sy ny fahavokarana .Fa mbola ambony lavitra noho izany ny fanomezana ny Fanahy Masina ho an’ny nofo rehetra . Afaka manompo an’Andriamanitra avokoa ny olona rehetra izay nomena ny Fanahy Masina . Ny fanomezana ny Fanahy Masina no faombohan’ny fahatanterahan’ny fampanantenana omen’ny Tompo ho an’ny mpino rehetra.Fanombohan’ny fitahiana izany , fa ny fahatanterahany kosa dia amin’ny fotoana iavian’i Kristy indray. Tsy diso anjara amin’izany isika rehetra raha manaiky ho Tempolin’Andriamanitra mba hitoeran’ny Fanahiny .Ny fiverenana amin’ Andriamanitra no làlana tokana handraisana io fanomezana sarobidy kanefa maimaimpoana io.
2-Fiandohan’ny farany
Alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah dia hiseho ireo zava-mahagaga sy mahatahotra , na eny amin’ny lanitra na ety ambonin’ny tany .Ireny rehetra ireny no mampiseho fa Andriamanitra no mifehy ny zava-boahary rehetra, na ny any an-danitra na ny ety ambonin’ny tany .Izy no fiandohana sy fiafarana .Feheziny amin’ny fahefany sy ny heryny ny zavatra rehetra . »Ny masoandro hampodina ho aizina , ary ny volana ho rà, alohann’y hahatongavan’ny andron’i Jehovah , izay sady lehibe no mahatsiravina » (and 4).Mbola miala nenina amintsika ny Tompo mba ho afa-mandositra ny fahatezeran’Andriamanitra. Izay miantso Azy amin’ny fo ka mino an’i Jesoa Kristy no hovonjena .
Fanontaniana:
Efa nandray an’iJesoa ho Tompo sy Mpamonjy ve ianao?
Sampana Sekoly FOIBE FJKM