Ny fanomezana ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Mey 2025
(Sal 97.1-6 / HF 4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira179)
Asan'ny Apostoly 2. 1-11
1 [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. 2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. 3 Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. 4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. 5 Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra. 6 Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra. 7 Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? 8 Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika 9 - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia 10 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, 11 Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra?Ny fanomezana ny Fanahy Masina
1- Hery ho an’izay nandray Azy
Mialoha ny niakarany tany an-danitra dia nilaza tamin’ny mpianany i Jesoa Kristy fa tsy hamela ny mpianatra ho irery; nampanantena koa Izy ny amin’ny hiavian’ny Fanahy Masina mba hampahery azy ireo (Jao 14.26; Asa 1.8). Tanteraka izany tamin’ny andro Pentekosta: ny rivotra mahery mifofofofo sy ny lela mitarehin’afo dia famantarana ny fiavian’ny Fanahy Masina amin-kery. Notafiana hery avy amin’ny Fanahy Masina ny mpino mba hahafahany mitory ny Filazantsara sy mijoro am-pahasahiana ho vavolombelon’ny asa lehibe nataon’Andriamanitra, mba hitaomana ny olona rehetra ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Izany no mahatonga ny Fiangonana hangataka mandrakariva ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
2- Fototry ny fielezan’ny Filazantsara
« Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy » (and.4). Nahatalanjona ny olona rehetra izay nanatrika teo ny nandre ireo mpianatra niteny tamin’ny karazam-pitenenana fampiasan’ireo firenena samihafa izay vory teo (and.6-11). Manambara amintsika izany fa ny Fanahy Masina tokoa no misolovava sy mampiteny izay rehetra irahiny; ny firenena rehetra mihitsy no tian’ Andriamanitra handray ny famonjena, amin’ny alalan’ny asan’ny Fiangonana, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Ka dia tsy maintsy hotorina amin’ny firenena rehetra hatramin’ny faran’ny tany ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Ahoana no ahatsapan’ny olona iray fa mitari-dalana azy tokoa ny Fanahy Masina?
Sampana Sekoly Alahady Foibe