Ny fanokanana mpanompon’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Aogositra 2024

Eksodosy 40, 12-16

Eksodosy 40, 12-16
12 Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy. 13 Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy. 14 Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava. 15 Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin'ny taranany fara mandimby. 16 Dia nataon'i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.

Ny fanokanana mpanompon’Andriamanitra

1- Mila fanendrena sy fifidianana

« Ary ento Arona sy ny zanany… » (and 12a): Tononin’ny Tompo amin’ny anarany ireo izay nofidiny manokana hanatanteraka ny fanompoana. Izany koa no nataon’i Jesoa rehefa niantso sy nifidy ny mpianany hiara-miasa Aminy.

2- Misy fiomanana manokana

« …Ka ampandroy amin’ny rano izy » (and 12b): Tsy afa-misaraka amin’ny fiomanana sy fanomanana ny resaka fahadiovana sy fidiovana. Izay rehetra mandray anjara amin’ny fanompoana dia tsy maintsy ho fitaratra amin’ny fahadiovana amin’ny lafiny rehetra: fitondran-tena, fitantanana. Ny ràn’i Jesoa no tena manadio antsika.

3- Misy fitafiana manokana

« Ary ampiakanjoy an’i Arona ny fitafiana masina » (and 13). Tsy ny fitafiana rehetra akory dia mety anaovana daholo ho an’ny fanompoana manokana. Misy ny fanamiana voatokana ho amin’ny fanompoana. Ity no toromarika omena antsika: « Fa itafio Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy amin’ny nofo hahatanteraka ny filàny » (Rom 13, 14).

4- Misy hosotra sy fanamasinana

« Dia hosory sy hamasino izy« : Tsy fombantsika ny misora-tena na mandeha tsy voizina. Misy ny fepetra mialoha ny firotsahana. Misy ny tompon’andraikitra manokana manatanteraka izany. Ny olom-boahosotra kosa dia hifantoka tsara amin’ny zara fanompoany manokana.

5- Mitohy amin’ny fanompoana

Andraikitra masina ny raharaham-pivavahana. Zarazaraina ho samihafa ny fanompoana fa ny Tompo dia iray ihany.

Fanontaniana

Inona avy ireo fepetra mialoha ny firotsahana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe