Ny fankatoavana ny Tenin’i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Jolay 2024
Lioka 5. 1-11
Lioka 5. 1-11
1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy; 2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. 3 Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. 4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. 5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. 6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. 7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. 8 Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. 9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony. 10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. 11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy.Ny fankatoavana ny Tenin’i Jesoa Kristy
1- Ahitana fahombiazana
<< Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. » (And. 6) Rehefa nitsahatra niteny tamin’ny fampianarana nataony teo amoron’ny Farihin’i Genesareta i Jesoa dia naniraka an’i Petera handrotsaka ny haratony amin’ny lalindalina kokoa. Nisalasala ihany i Simona kanefa narotsany ihany ny haratony. Vokany, nahazo hazandrano be dia be i Simona. Rehefa mankato ny baikon’i Jesoa Kristy ny olona dia hahita fahombiazana amin’ny asa ataony, eny fa na dia nandiso fanantenana aza tamin’ny fotoana sasany. Tsy miankina amin’ny fahaizan’ny olona ny asany ihany no mampahomby azy fa miankina amin’ny fankatoavany ny tenin’i Jesoa Kristy. Rehefa mankato ny tenin’i Jesoa Kristy ny olona amin’ny asa ataony dia hahita fahombiazana.
2- Ahatsiarova-tena ho mpanota
«… Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. » (And. 8) Rehefa nahazo hazandrano be dia be i Simona sy ny namany, ary niatso koa ny namany tamin’ny sambokely hafa mihitsy hanampy azy ireo satria tsy zakany, dia nahatsiaro ny fahotany izy. Ary izany no nahatonga azy niankohoka teo amin’ny tongotr’i Jesoa satria nisy fisalasalana tao anatiny vao nanaraka ny tenin’i Jesoa. Isika koa, tsy mino avy hatrany ny tenin’i Kristy fa misalasala izay vao mankato. Mariky ny tsy finoana anefa izany. Ary ny tsy finoana día fahotana ka tokony hibebahana. Rehefa mijery ny asa lehibe nataon’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainany ny olona, ka mahatsiaro ny fisalasalana tao anatiny vokatry ny tsy finoana, dia miaiky ny fahotany. Aza variana misitraka ireo fahasoavana azonao fa tsarovy ihany koa ny tsy finoanao ka mibebaha amin’izany.
Fanontaniana:
Inona no mampiasalasala anao amin’ny herin’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe