Ny Fanjakan’i Kristy

Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Martsa 2021

LIOKA 22.24-32

LIOKA 22.24-32
24 Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin'izay anankiray aminy hatao lehibe. 25 Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan'ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa. 26 Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo. 27 Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo. 28 Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin'ny fakam-panahy nihatra tamiko; 29 koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy, 30 mba hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo, 31 Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. 32 Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.

Ny Fanjakan’i Kristy

Nitondra fanovana lehibe tokoa i Jesoa raha tonga teto amin’izao tontolo izao teo amin’ny fomba fisainana sy fomba fanao . Nanavao izao tontolo izao i Jesoa noho Izy tsy nampita fampianarana fotsiny fa tena niaina ny fanavaozana nentiny koa . Ny Fanjakan’i Kristy dia :

1-Fanjakan’ny mpanetry tena (and 24-29)

Ady hevitra ny amin’izay lehibe teo amin’ny mpianatra no nitondran’i Jesoa fampianarana . Amin’i Jesoa ao amin’ny fanjakan’i Kristy dia izay manompo sy manetry tena no lehibe. Mifanohitra amin’ny an’izao tontolo izao ny Fanjakan’i Kristy .Ny tena kristiana araka izany dia manompo , ka izany fanompoana tanterahiny izany no maha-lehibe azy na tsia ao amin’ny fanjakan’i Kristy . Noho izany , raha te- ho lehibe isika ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia manompoa !

2-Fanjakan’ny mpifampahery (and 31,32)

Nampianarin’i Jesoa i Petera noho izy Apostoly mba hampahery ny namany . Tsy ho afaka hampahery anefa izy raha tsy efa mahery . Tsy ho afaka hampahery anefa izy raha tsy efa mahery . Rehefa avy nibebaka i Petera dia nahery , izany hoe: rehefa avy nanatsara ny fifandraisany amin’ Andriamanitra . Araka izany , adidin’izay mahery ny mampahery , adidin’izay matanjaka ny manao izay hampatanjaka ny malemy . Tsy mitovy amin’ny fahita eto amin’izao tontolo izao no fahita ao amin’ny Fanjakan’i Kristy . Ny an’izao tontolo izao ny matanjaka dia mampahory sy mampijaly ny malemy . Miova fomba fanao mihitsy izay manam-pikasana ho ao amin’ny Fanjakan’i Kristy , miova hatramin’ny toe-po amam-panahy ho enti-miditra ao .

Fanontaniana :

Amin’ny lafiny inona avy no mampiavaka ny Fanjakan’i Kristy amin’ny an’izao tontolo izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM