Ny fanjakan’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 12 Desambra 2022

MARKA 1.21-28

MARKA 1.21-28
21 Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra. 22 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. 23 Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy 24 ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. 25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy. 26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy. 27 Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. 28 Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.

Ny fanjakan’i Jesoa Kristy

Hitantsika eto ny asa notanterahan’i Jesoa Kristy tao amin’ny synagogan’ i Kapernaomy.Asa nanehoany fa Izy no Tompon’ny fanjakana ka miasa mitondra fahasoavana ho an’ny vahoaka mino Azy .

1-Mitondra fiainana ho an’ny mino Azy

Rehefa nahita ny asan’i Jesoa Kristy ireo olona tao Kapernaomy dia gaga , talanjona tateraka .Tsy tahaka ny fampianarana nataon’ireo tomponandraikitra teo amin’ny Jiosy izany .Ny asan’i Jesoa sy ny fampianarany dia misy fahefana , mitondra fahafahana , famonjena , nisy fiantraikany nivantana teo amin’ny fiainan’ny olona , asa mamelona finoana ,mitaona ny olona hanatona Azy.Ho anao maniry ny tena fiainana: manokana fotoana mandrakariva mba handraisana ny fampianaran’i Kristy mpanjaka , ilay fampianarana misy fahefana hanova ny fiainanao .

2-Mandrava ny fahavalo rehetra

Tao amin’ny Synagoga no niseho izao asan’i Jesoa Kristy manafaka ilay olona voafatotry ny fanahy maloto izao. Azo lazaina fa miseho maneho hery any amin’ny toerana tsy tokony hiasan’ ilay ratsy ny demonia,miseho ho mahalala an’i Jesoa Kristy (and24).Izany fahalalana izany dia hiheverany fa afaka manjaka na mifehy izay fantany izy.Tsy izany no nitranga fa nasehon’i Jesoa Kristy ny fahefany « mangina ianao ka mivoaha aminy« (and25).Resy tanteraka ilay ratsy , afaka tamin’ny fatotran’ny fanahy maloto ilay lehilahy.Na manao ahoana na manao ahoana ny herin’ny ratsy , resy tosika izany rehefa i Jesoa no manjaka .

Fanontaniana :

Inona no mampiavaka an’i Jesoa Kristy sy ny fanjakany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM