Ny fanitsiam-pivavahana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 29 Aogositra 2024

2 Tantara 35. 1-6

2 Tantara 35. 1-6
1 Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an'i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany. 2 Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin'ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah. 3 Ary hoy izy tamin'ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masina ho an'i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, ny fiara masina; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony; 4 ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, sy araka ny voasoratr'i Solomona zanany koa. 5 Ary mitsangàna eo amin'ny fitoerana masina araka ny fizaran'ny fianakavian'ny rahalahinareo amin'ny vahoaka sy araka ny fizaran'ny fianakavian'ny Levita. 6 Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an'ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Mosesy.

Ny fanitsiam-pivavahana

Ny fanarenana ny fivavahana marina tian’i Jehovah:

Tamin’ny fotoana nanjakan’i Josia no nahitana ny bokin’ny lalana tao amin’ny tempoly rehefa nasiam-panamboarana ny tempoly (jereo 1Mpa 22; 2Tan 34). Resy lahatra tanteraka i Josia fa diso teo anatrehan’ Andriamanitra ireo razany satria nanao tsinontsinona izay voalazan’ny lalana izy ireo. Vonona izy ny hanarina izany, koa indro izy nanapa-kevitra fa hanao izay hananganana indray ny fivavahana marina amin’i Jehovah.

Ny fanomanana ny paska

Anankiray amin’izay an’Andriamanitra fankatoavana ny fanatanterahana ny fitandremana ny paska satria araka ny lalåna dia nandidy ny olona mihitsy ny Tompo mba hitandrina izany hatramin’ny taranaka mifandimby rehetra (Eks 12. 14). Rehefa nanapa-kevitra àry i Josia mpanjaka fa hanompo an’i Jehovah amin’ny andro rehetra iainany (jereo 2Tan 34. 2933) dia mariho tsara fa tena finiavany tanteraka ny nanao fandaminana sy hitarika ny Levita mpisorona izay tompon’andraikitra amin’ny asa fisoronana sy ny vahoaka manontolo ho amin’izany fitandremana ny paska izany. Satria resy lahatra izy fa raha izy mpanjaka no mitarika sy mandidy dia hanaraka izày voatendry sy voateny ny rehetra. Noho izany dia nandidy mihitsy i Josia: 1– Nanendry ny mpisorona izy ary nampirisika azy ireo amin’izany anjara raharahany izany (and 2) 2– Niteny izy avy eo hoe: apetraho ao an-tranon’i Jehovah ny fiara masina ary manompoa an’Andriamanitra (and 3) 3– Miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo (and 4) 4– Mitsangana eo amin’ny fitoerana masina (and 5) 5– Vonoy ny paska sady manamasina ny tenanareo ary manamboara ho an’ny rahalahinareo (and 6)

Fanontaniana:

Ho fitaratra ny mpitarika sa mpibaiko fotsiny? Hazavao.

Sampana Sekoly Alahady Foibe