Ny fanirahana mpitory Filazantsara

Mofonaina anio: Zoma, faha 31 Desambra 2021

ASAN'NY APOSTOLY 13.1-5

ASAN'NY APOSTOLY 13.1-5
1 [Ny nandefasana an'i Barnabasy sy Saoly ho misionera, sy ny nampianarany tao Kyprosy] Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly. 2 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy. 3 Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy. 4 Ary rehefa nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy. 5 Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy; ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy.

Ny fanirahana mpitory Filazantsara

1-Miainga avy ao amin’ny Fiangonana

Ilay Jesoa : »Mandehana any amin’izao tontolo izao ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra  » (Mat 16.15). Baikon’ny Tompo sady asan’ny fiangonana anatin’ny fanompoampivavahana ny fitoriana ny Filazantsara . Ny Fiangonana lazaina eto dia ireo vahoakan’Andriamanitra mivory sy miara-mivavaka . Ao anatin’ny fanompoampivavahana no hanatanterahana ny fanirahana mpitory Fiazantsara . Marihana eto aza fa sady nanao fanompoampivavahana izy ireo no nifady hanina . Ary tsy izany ihany fa natokana sady nametrahan-tànana ireo izay nirahina . Tena zava-dehibe sy manan-danja eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fiangonana tokoa araka izany ny asa fitoriana ny Filazantsara , ka tsy tokony hanao an-tsirambina izany ny fiangonana, indrindra fa ireo izay voatokana sy nirahina ho amin’izany .

2- Asan’ny Fanahy Masina

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia manasongadina hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany fa ny Fanahy Masina no mitarika sy manolo-tsaina ny fiangonana . Ny Fanahy Masina no mitaky ny hanokanana ireo izay hirahina hanao ny asa (and2) , maniraka azy roalahy ho amin’ny toerana izay halehany (and3) .Efa nambaran’i Jesoa rahateo fa ny Fanahy Masina no hisolo Azy, ka hiara-dàlana amin’ny mpianany mandrakizay (Jao 16) .Izany indrindra no mahatonga antsika tsy hitsahatra hangataka ny asan’ny Fanahy masina mba hialoha làlana azy amin’izay rehetra atao na amin’ny fanompoampiavavahana na amin’ny fiainana andavanandro .

Fanontaniana :

Tena manaiky ny fitarihan’ny Fanahy masina ve isika? Porofoy

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM