Ny fanekena vaovao nataon’i Kristy
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 17 Novambra 2022
HEBREO 8.7-13
HEBREO 8.7-13
7 Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa. 8 Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'isiraely sy ny taranak'i Joda, 9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. 10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; 11 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; 12 Fa hamindra fo amin'ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany" (Jer. 31. 31-34). 13 Amin'ny anaovany hoe "vaovao" dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona.Ny fanekena vaovao nataon’i Kristy
1- Dia tsara tsy misy tsiny
N y bokin’ny Hebreo dia anisan’izay miezaka mandresy lahatra ireo kristiana vaovao ny amin’i Kristy sy ny maha- izy azy .Anisan’izay ambarany eto ny mahatsara sy tsy misy tsiny ny fanekena vaovao izay nataon’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ka nandatsahany ny Rany ho solon’ny sorona izay fanao teo amin’ny taranak’Israely mba hahazoana famelankeloka raha avy nanota . Hoy indrindra i Jesoa hoe : « ity no rako dia ny amin’ny fanekena izay alatsaka ho an’ny maro ho famelankeloka » (Mat 26.28). Indray mandeha tsy miverina intsony koa io sorona io . Azo antoka araka izany ny famonjena amin’ny alalan’io fanekena vaovao izay nataon’i Jesoa io. Fanekena vaovao izay nataon’i Jesoa io .Voamarina rahateo ny maha-fanekena tsara sady tsy misy tsiny azy .
2-Dia avy ao am-pon’ny olona fa tsy misy teritery (and10)
Ny fanekena taloha dia izay nataon’Andriamanitra tamin’izy ireo tao an’efitra Sinay .Notandremany io fanekena io, saingy natao ivelany ihany fa tsy mba vokatry ny fo , natao toy ny ezaka izay tratrarina mba hahazoana sitraka aman’ olona ary mba hahafahana manameloka ny hafa .Taty amin’ny andron’i Jesoa sy ireo Apostoliny aza dia mbola nahatratra izay fitandremana lalàna mba ho mariky ny fitandremana ny fanekena izay nifanaovana. Nomelohina i Jesoa raha sendra ka nioty salohimbary , fa hoy Izy ao amin’ny Lioka 6.5 3 « Tompon’ny sabata ny zanak’olona » .Ry havana, maro amintsika fiangonana ankehitriny no manana izany foto-pisainana izany ka raha mitandrina ny lalàna dia tahotra ihany , ary miandry ny hafa ho lavo mba hohelohina .
Fanontaniana:
Efa ilay fanekena vaovao ve no ivelomanao sa mbola ilay fanekena taloha?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM